airtel

Actualités

18-janv-2024

Saika hanolana renim-pianakaviana mamomamo

Tovolahy 24 taona nosamborin’ny fokonolona

Sample post image

Voasambotry ny fokonolona ihany na niezaka mafy nandositra aza ny tovolahy iray 24 taona

18-janv-2024

saika hanolana vehivavy tany Mahazoarivo, distrikan'i Vondrozo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny zoma lasa teo no niseho izany. Namonjy fety ilay renim-pianakaviana, 35 taona. Lasa nody hatory izy rehefa nahazohazo alikaola, sahabo tamin'ny 2 ora tolakandro, kay nanaraka moramora azy ilay zalahy. Nony tao an-trano, taitra tampoka izy rehefa nitsambikina sy nitaingina teo amboniny ilay tovolahy. Norahonan'ity farany ho vonoina izy, sady nokendainy, raha miantso vonjy. Aleo kosa aloha, hoy ilay ramatoa, mba hakatoko ny varavarana. Efa nanantena ny anao lahy kanjo nanararaotra nitsoaka ilay ramatoa, niantso fokonolona. May ny endim-boanjon'ilay mpanolana. Saika tsy nahita lalan-kivoahana. Nandositra tany anaty reniranon'i Manampatrana, nanao tsikarok'alika. Tsy namelan'ny fokonolona raha tsy tratra. Ny alahady no naterin'ny miaramila tany amin'ny biraon'ny zandary, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap