ka tafiditra ao anatin’io ny menaka. Niparitaka ny taratasy avy amin’ny Minisiteran’ny indostria sy ny varotra sy fanjifana mitondra ny datin’ny 30 jona, fa tsy azo hoanina ny menaka mitondra ny marika « Roots », narahina tatitra sy filazana fa nisy asa fanaraha-maso nataon’ny DRIC (Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra) Vakinankaratra ny 23 jona 2025. Nandritra ny fisavana tao amin’ny fivarotana mpamongady SUPERMAXI, Antsirabe, dia nahitana io menaka mitondra ny marika ROOTS io mampiahiahy. Menaka amin’io karazany io 56 baoritra na 672 tavoahangy no hita, samy milaza fa maharitra 24 volana aorian’ny daty famokarana. Nalefa natao fitsirihana fanampiny (contre-analyse) tany amin’ny ACSSQDA (Agence de Contrôle de la Sécurité Sanitaire et de la Qualité des Denrées Alimentaires) ny santionan’ireo menaka. Nivoaka avy eo fa tsy mahafeno fepetra ara-pahasalamana ary tsy azo hanina ireo menaka mitovy amin’io andiany (lot de production). Tsy mazava ny daty famokarana voasoratra, satria voarakitra amin’ny endrika litera arabo. Tsy afaka nanamarina ara-dalàna ny fahamarinan’ny daty ny mpanara-maso. Tamin’ny tolakandron’ny 03 jolay 2025, dia natao famotehana sy fandoroana avokoa ireo tavoahangy rehetra, ka notanterahina tamin’ny fomba ara-dalàna sy madio, raha ny tatitra. Notohizana ihany koa ny fanesorana sy fanadiovana ireo vokatra mitovy karazana teny an-tsena, ho fiarovana ny mpanjifa. Amin’izao fotoana izao, dia eo am-panaovana fanadihadiana ny DRIC sy ny tompon’andraikitra hafa momba ny fipariahan’ireo menaka tsy ara-dalàna sy ny làlana nahatongavany teto an-tanàna, mba hametrahan’ny fanjakana fepetra hentitra. Nandeha ny fanentanana ny rehetra hiara-hiasa amin’ny fanjakana amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa sy ny fahasalamam-bahoaka. Raha misy entana mampiahiahy hita eny an-tsena, dia afaka mitatitra avy hatrany amin’ny laharana maitso 961.
TSY VOAARO NY AIN’NY MALAGASY…
Eo anatrehan’ny tranga tahaka ity, betsaka ny ahiahy hoe : avy aiza io menaka io ? Ahoana no nidirany teto ? Io ve no anisan’ny nitera-doza tamin’ireo tranga fahapoizinana maro nanerana ny Nosy ? Havoaka mazava ve ny tompon’antoka sa hosarontsaronana ? Efa ny 23 jona no nampiahiahy ka nahoana no aty amin’ny 5 jolay vao misy vaovao ofisialy ka raha nisy nihinana teo anelanelan’izay dia ahoana ? Manamafy ny zava-misy fa tsy voaaro ny ain’ny Malagasy, aty amin’ny taona 2025 no mbola misy hoe : mihinana menaka tsy voadio. Betsaka ny sakafo mety mampidi-doza miparitaka eto, fa ny menaka aloha io no misy tranga. Hatramin’izao tsy nivoaka mazava hoe : inona marina no niteraka ny tranga tetsy Ambohimalaza, Ambositra, Mahajanga, Toamasina, Toliara,… ? Famosaviana araka ny fanambarana ofisialin’ny Fanjakana ve ny tetsy Ambohimalaza sa tsy maintsy nitady vokatra ny Fanjakana ? Aiza ny nifaran’ny fitsirihana nolazaina fa nalefa tany an-dafy izay toa zary lasa mbola natao fampalazana tena ara-politika ? Inona no tany amin’ny toeran-kafa ? Tena mahavita ny adidiny amin’ny fiarovana ny ain’ny Malagasy ve ny Fitondrana ?
Toky R
fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !
Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra
Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana