nisian’ny hetsika fanakanan-dalàna nataon’ireo andian’olona milaza fa tsy afa-po tamin’ny fifarahana teo amin’ny orinasa QMM sy ny Fitondram-panjakana, izay notapahana tamin’ny filankevitry ny Minisitra ny 21 jona lasa teo. Fanavaozana ny fifanarahana taorian’ny fahataperan’ny 25 taona moa io, ka misy resaka sora-bola samihafa, an-tapitrisany dolara maro, saingy misy milaza ho tsy afa-po, indrindra fa amin’ny lafiny sosialy. Ny sosialim-bahoaka, fahavoazan’ny tontolo iainana, ny fiantraikany amin’ny fiainan’ny vahoaka, ny fahavoazan’ny rano,.. no voalaza fa isan’ny hanaovan’izy ireo fitakiana. Efa nisy ny fihaonana teo amin’ireo olom-panjakana sy ireo mpanao fihetsiketsehana, saingy mbola tsy milamina ny toe-draharaha. Nangotraka ny fifandonana omaly satria nisy ny fihetsiketsehana, ary nahetsika handrava izany ny mpitandro filaminana. Voalaza fa nisy ireo olona nirongo lefona, antsy lava, pilotra,… Nandeha ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso, ary voalaza mihitsy aza, fa nisy fampiasan basy. Olona 8 no voalaza fa naratra ka ny 2 tamin’ireo mpitandro filamianana, nisy 2 tamin’ny mpanao fihetsiketsehana voalaza fa voan’ny bala ny sandriny,… 0lona manodidina ny 80 ihany koa no voalaza fa voasambotra, izay natao tamin’ny kamio miisa 2, taorian’ny famakian’ireo olona ny sakana tao Amaroamalona, saika hamaky ny tetezana mihazo ny QMM ihany koa, raha ny tatitra. Ny faran’ny herinandro teo moa no efa nandefa didy fampikarohana hafahafaha-misambotra ireo olona roa voalaza fa isan’ny mpitarika ny fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Raha mampahatsiahy ny ampahan’ny fifanarana: nofoanana ny fandoavan'ny fanjakana ny volan'i QMM mitentina 77.2 tapitrisa dolara nampindraminy ny fanjakana; nofoanana ilay trosa 3 tapitrisa dolara ananan'ny QMM amin'ny Jirama; handoa12 tapitrisa dolara amin'ny fanjakana ny QMM amin'ity 2023 ity ho fizarana tombom-barotra mialoha (Paiement de dividende anticipée);; mandoa 8 tapitrisa dolara ny QMM ho fanampiana amin'ny fanamboarana ny RN13 (109Km),… Ho an’ny lafiny sosialy, asaina mametraka foibe famokarana angovo azo havaozina mitentina 50 tapitrisa dolara anatin'ny 5 taona ny QMM; Ho fiarovana ny tontolo iainana dia manao fampiasam-bola mivantana 5 tapitrisa dolara ny QMM mba azahoana ny “crédit carbone”. Mividy “crédit carbone” 10 tapitrisa dolara amin'ny fanjakana ihany koa ny QMM,... Mbola mafana tsy voalamina anefa ny toe-draharaha Taolagnaro ka asa izay hiafarany? Tiana horoahina hiala ao Taolagnaro ve ny QMM matoa ambolena sakoroka isan-taona? Tsy anjaran’ny Fanjakana izay misitraka tombotsoa be indrindra ve no mandamina ny toe-draharaha sa mbola tiana hanampy ny bola avoakany ny QMM? Tsy ahiana ve ny voka-dratsy goavana ara-tsosialy sy ara-toekarena raha miala io orinasa goavana io ?
Toky R
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.