Ny vadiny ihany no nahavita nanatsatok’antsy ny sous brigadier Tilahy Norbert (35 taona).Nezahana nentina teny amin’ny hopitaly ihany izy mba ho vonjena sy hanaraka fitsaboana saingy tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra.Namela kamboty 2 itompokolahy. Miasa any Maintirano ity polisy ity fa nandalo nitsidika ny tanindrazana no izao tra-doza izao. Efa niasa nandritra ny 2 taona tao Sambava ihany koa izy mialohan’izany. Tsy tena mbola fantatra mazava ny anton’izao fihetsika henjana azo sokajiana ho vono olona izao, fa raha ny vaovao farany aloha dia efa nitolo-batana eny amin’ny mpitandro filaminana ilay vehivavy nahavanon-doza koa dia andrasana izay mety ho tohin’ny fanadihadiana. Noho ilay fiainana sarotra matetika dia lasa tsy mahay miresaka sy mifampihaino intsony ny ao an-tokantrano sy ny eo anivon’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny ; matetika eny anaty tanàna sy eny an-dalambe eny no handrenesana teny tena mahery, miampy teny ratsy ataona ray aman-dreny amin’ny zanany, misy ihany koa ireo ankizy efa tena sahy mamaly ray aman-dreny ary mahateny ny tsy fiteny. Maro be ireo mpifankatia, mpivady no matetika miady, ary tsy misafidy toerana intsony fa na ao an-tokantrano na eny an-dalambe, na eny amin’ny toerana isan-karazany. Ary ny tena loza dia ilay fifampikasihan-tanana sy ny fandraisana izay zavatra sendra ny tanana eo hamelezana . Fomban’ny olona tsy manana fitoniana anaty sy miaina tsindry sy adin-tsaina matetika ilay miteny mahery sy mikasi-tanana io raha ny fandinihan’ny manampahaizana..
Nangonin’i RTT
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.