Io no vaovao notaterin’ny mpanao gazety iray any an-toerana omaly. Ny fahasimban’ny tetezan’I Manambery no voalaza fa antony, ka nanomboka ny alatsinainy teo no nikorontana ny famatsiana. Tsy vao sambany amin’ny fikorontanana anefa io, ary tsy vao izao no nisy delestazy miverimberina tao an-toerana. Porofo fa mitohy ny olan’ny herinaratra ka tafiditra ao anatin’io ny resaka solika. Ara-politika sy ara-toekarena, isan’ireo toerana nizaka ny ngidiny betsaka indrindra avy amin’izao fitondrana izao ny ao Sambava sy ny Faritra SAVA manontolo na teo aza ny fanamboarana ny lalàmpirenena izay ny fitondrana teo aloha no angady nanana azy. Tao anatin’ity fitondrana ity no nahapotika indrindra ny sehatry ny lavanila izay fampanantenana fiakaram-bidy avo 3 heny nampanantenaina tao anatin’ny propagandin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2019, saingy fitotonganana avo folo heny no nitranga. Tsaroan’ny rehetra tsara angamba ilay tranga nanehoan’ny vahoaka ny fahasosorany tamin’ilay mpitondra Bajaj nanao T-shirt Andry Rajoelina. Ankehitriny anefa, tong any fifidianana dia kandida lisitra tokana IRMAR no ao Sambava noho ny kajikajy sy sakantsakana politika nandeha. Vao andro vitsy ny Praiminisitra no nidina ifotony tany, izay adikan’ny olona ho nanao tosika kandida. Io iaraha-mahita io anefa ny fahoriam-bahoaka amin’ny endriny samihafa. Dia mbola misy zavatra betsaka aza antenaina amin’izao fitondrana izao ve?
Toky R
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.