ny sendika SAPS (Syndicat Autonome du Personnel de la Statistique). Raha hiverenana, nisy ny fanesorana mpiasa tsy raikitra mbola tsy mpiasam-panjakana miisa 13 teo anivon’ity Ivon-toerana ity, izay voalaza fa ny Tale Jeneralin’ny INSTAT no tena tompon’antoka. Raha nihevitra ny Tale Jeneraly, fa hiaro azy ny SAPS dia tsy izay no zava-misy, hoy ny fanamarihana. Nilaza mantsy ireto sendikan’ny mpiasan’ny INSTAT ireto ny zoma lasa teo, fa tsy miaro velively an’ingahy Tale Jeneraly izy ireo fa ao an-damosin’ireo mpiasa niharan’ny antsojay hatramin’ny farany, ary anjara asa sy antom-pijoroan’ny sendika rahateo ny fanoherana ny tsy rariny mahazo ny mpiasa. Ny volana novambra 2022 teo moa no noesorin’ny tale jeneraly tsy ho mpiasa intsony izy 13 mianadahy ireny. Voatery nametraka fitoriana teny amin’ny filankevi-panjakana na ny “Conseil d’état” ireo mpiasa, namoahan’ny mpitsara didy fampiantonana ilay fandroahana azy ireo, izany hoe miantona ilay didy fandroahana nataon’ny Tale Jeneraly ary afaka miverina miasa avy hatrany ihany koa ireo mpiasa. Naverina niasa saingy voalaza fa nohidina tanaty efitrano iray mitoka-monina tanatina birao kely iray tao amin'ny instat ireo mpiasa miisa 13 ireo taorian’izay. Efa naverina niasa ara-dalàna, efa anatina efitrano mitovy amin’ny rehetra ireo mpiasa ireo amin’izao, rehefa niady ho amin’ny rariny ny SAPS. Ny nahagaga anefa, voalaza fa tsy naloan’ny INSTAT intsony ny karamany, ary voatonontonona ho atidohan’ny fanapahan-karama ny Tale Jeneraly. Tsy tokony ho tapaka akory anefa izany araka ilay didy navoakan’ny filankevi-panjakana, hoy ny fanamarihana. Voalaza fa tsy nanaraka ny an-tana-tohatry ny lalàna ary fanapahan-kevitra tsy nisy kaomisiona fa noraisin'i Tale Jeneraly irery io, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany moa ireo mpiasa etsy ankilany. Miitatra ny raharaha ankehitriny, ary mety ho lasa lavitra kokoa satria tonga hatrany amin’ny fangatahana ny fanesorana an’ingahy Tale Jeneraly. Miahiahy kolikoly sy miampanga ity Tale Jeneraly ity ho manararao-pahefana sy manambany ny mpiasa Malagasy io ny mpiasa eo anivon’ny INSTAT.
Toky R
Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,
Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,
Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,
Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément
Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy
Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.