airtel

Actualités

29-avril-2026

Saran'ny fampiasana "drones"

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

Sample post image

Adihevitra tato ho ato ny

29-avril-2026

fampahatsiahivana sy fanamafisana nataon'ny ACM (Aviation civile de Madagascar) fa tsy maintsy hakana alalana ny fampiasana ireny fitaovana manidina entina maka sary na ampiasaina amin'ny zavatra hafa na "drones". "1 560 000Ar tafiditra ao haba samihafa ny sarany amin'ny fangatahana fampiasa "drone". Mahatsapa ny ACM fa lafolafo ihany io, saingy efa tamin'ny taona 2013 ny arrêté interministériel nanapaka azy io fa tsy ny ACM amin'izao na ny tenany izao vao tonga tamin'ny faran'ny taona 2025", hoy ny Tale Jeneralin'ny ACM Atoa Faniry Alban Rakotoarisoa omaly. Efa misy kosa, hoy izy, ny volavolan-dalàna mandeha any amin'ny antanan-tohatra rehetra mahakasika ny fampidinana io sarany io. Iangaviana ianareo mba hitodika any amin'ny mpanao lalàna fa raha ny sitraponay dia atao mora ny sarany, dia afaka mampiasa ny rehetra fa tokana ny fepetra dia ny fanarahana fitsipika, hoy hatrany i Faniry Alban Rakotoarisoa. Na ho an’ireo olon-tsotra hampiasa ny drone ho an’ny fialamboly, na ho an’ireo orinasa na sehatra mampiasa izany ho an’ny fidiram-bola amin’ny hetsika samihafa, na amin’ny fanaovana horonantsary dia tsy maintsy maka alalana any amin’ny ACM avokoa manomboka izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

no tsy manao ezaka mianatra»

Card image cap
19-juin-2026

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

Card image cap
19-juin-2026

lehibe ny tananan'i Talatamaty

Card image cap
19-juin-2026

nalentiny tao anaty rano ny zanany

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap