airtel

Actualités

24-févr-2026

Saran’ny visa

sy pasipaoro miditra eto Nandray fepetra vaovao ny Fanjakana

Sample post image

Navoakan’ny manampahefana ny fepetra

24-févr-2026

vaovao momba ny sara amin’ny visa sy pasipaoro, izay mikendry ny hanamafy ny rafitra momba ny fidirana sy ny fijanonan’ny vahiny sy ireo tsy manan-tsata eto Madagasikara. Araka ny fanazavana, miovaova arakaraka ny faharetan’ny fijanonana ny vola aloa: 65 000 ariary ho an’ny 15 andro na latsaka, 104 000 ariary ho an’ny 16 andro ka hatramin’ny iray volana, 130 000 ariary ho an’ny iray ka hatramin’ny roa volana, ary 182 000 ariary ho an’ny roa ka hatramin’ny telo volana. Raha mihoatra izany kosa, dia 292 500 ariary no aloan’ny mpangataka ho an’ny fijanonana 3 volana ka hatramin’ny 3 taona, 390 000 ariary ho an’ny 3 ka hatramin’ny 5 taona, ary 487 500 ariary ho an’ny mihoatra ny dimy taona na ho an’ny visa fijanonana maharitra. Misy ihany koa ny fepetra manokana mihatra amin’ny karazana visa sasany: ny visa azo avadika ho fijanonana maharitra dia voatondro amin’ny 182 000 ariary, ny visa tsy mpifindra monina azo avadika ho mpifindra monina kosa dia 325 000 ariary, ary ny fanalavana na ny visa fivoahana farany dia 130 000 ariary. Ho fanampin’izany, nambara fa misy fihenam-bidy 50 % ho an’ny mpianatra vahiny ao amin’ny sekoly ambony, ny misionera sy ny vadiny. Raha ny mpitondra pasipaoro diplaomatika na pasipaoro amin’ny asa ofisialy indray dia afaka amin’ny sara tanteraka, raha manolotra taratasy fanendrena ara-dalàna. Voalaza fa natao hanamora ny fitantanana ny raharaha momba ny fifindra-monina, sady manome fitsinjovana manokana ho an’ireo sokajin’olona manana andraikitra manokana na mandray anjara amin’ny asa fampandrosoana ny fepetra. Ny tanjona, hoy izy ireo, dia ny hanamafy ny fahatokisan’ny olom-pirenena sy ny vahiny amin’ny rafitra ara-dalàna, ary ny hanome fahafahana mivelatra amin’ny sehatra ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amin’ny firenena.
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap