miainga sy fikopahana afo io !»
Misesisesy ny karazana hetsika fitakiana tamin’ny minisitera maromaro tato ho ato. Nipoaka tampoka teo ! Niainga tamin’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa na ny METFP, tonga hatramin’ny fanenjehana sy fiampangana minisitra, ka nisiana fivoizana fanesorana. Nangina sy nilamina satria andaniny dia mandeha ny dingana samihafa, toy ny nivahan’ny olan’ireo 345 tao anatin’ny « poste budgétaire » 2023,… Dia nangotraka ihany koa ny teo anivon’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena na ny MEN, nitaky ny fisitrahana ny "indemnité de craie" 150.000 Ariary, ny fampiharana sy ny fampitoviana ny tambin-karama amin'ireo "mission" vatsian'ny PTF vola, ary ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM sy ny eo anivon'ny ENS. Nilaza fa tsy mbola tonga any amin'ny fampitsaharana ny fampianarana ireo mpampianatra sy mpiasa, saingy hihamafy ny hihafamafy ny fitakiana, raha tsy misy ny fandraisan'andraikitry ny Fanjakana. Manampy trotraka ny endrika fanoherana ataon’ny sekoly tsy miankina sasany ny fanovana mikasiky ny fanadinam-panjakana, izay mbola anaty tetezamita, ka anio ohatra dia misy ireo sekoly katolika nanapa-kevitra tsy hianatra ho mariky ny firaisankina sy lamina manokana anatiny,… Andaniny, raha ny loharanom-baovao omaly, nanapa-kevitra hanome « indemnité d’appui administratif » ho an’ny mpiasa ara-panjakana amin’ny sehatry ny fanabeazana, izay karamaina amin’ny Tetibola ankampobeny ny Fanjakana, afatsy ireo manao asa any an-dakilasy. Manomboka amin’ny 1 Jolay 2026, dia homena onitra manokana ho fanohanana ara-pitantanana ny mpiasa rehetra amin’ny sehatra administratif sy teknika ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazana Nasionaly sy ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-teknika sy ny Fampiofanana Asa, afa-tsy ny mpampianatra miasa ao an-dakilasy. Ny habetsahan’ny onitra dia voafaritra ho 150 000 Ariary isam-bolana, amin’ny endrika "forfaitaire" sy mitovy ho an’ny rehetra.
MISY ONJAM-PANAKORONTANANA ?
Tsy tamin’ireo Minisitera roa ireo, fa niitatra any amin’ny Minisiteran’ny indostria. Nisy omaly ireo andiana mpiasa nanao fanambarana mitaky fialan’ny minisitra. Nambara ho tsy mahavita ny asany ny minisitra ary manao fandrahonana sy antsonjay amin’ireo mpiasa ny sekretera Jeneraly. Nambara fa misy fandraisana mpiasa tsy mandeha amin’ny laoniny,… Nilaza ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Napoina, fa tsy ny minisiteran’ny indostria ihany, fa tena misy « vague de déstabilisation » na onjam-panakorontanana mandeha. « Misy fanakorontanana efa miainga dia misy mikopak’afo », hoy izy. Misy mpitarika, misy ambadika, efa fantatra,… Ho an’ny Minisiterany manokana, dia nambarany fa nandeha nilamina ny fandraisana mpiasa, saingy ny zava-misy dia misy manery ny minisitra hampiditra ny zanany ao,… Rehefa nisy nesorina dia mitady fomba hiverenana, ary rehefa tsy mahazo toerana, dia mitady fomba hanakorontanana. Nambarany fa endrika fanakorontanana ny zava-misy eo anivon'ny ministera ankehitriny ary efa mazava ihany koa ny tanjona kendren'izy ireo, hoy ny Minisitra Minisitra Raharimanjato Ny Riana Napoina, izay nilaza fa ny asany no tokony hitsarana ny minisitra. Asa hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R