airtel

Actualités

17-févr-2023

Actualités

Sefo Fokontany Miandry ny higadonan’ilay tambin-karama hitombo avo 3 heny

Sample post image

Nandritra ny lahateny nataony ho an’ny Firenena ny 31 desambra 2022, nalefa tamin’ny haino amanjerim-panjakana,

17-févr-2023

dia nanambara ny filoha Andry Rajoelina fa hitombo avo telo heny ny tambin-karama ho an’ny sefo Fokontany manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara. Fepetra tokony hanan-kery amin'ny Janoary 2023. Fotoana fohy taorian’io, dia noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 18 janoary 2023 ny didim-panjakana mampiakatra ny tambin-karaman’ny Sefo Fokontany sy ny Lefiny, araka ny efa nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny lahateny nataony tamin’ny faran’ny taona 2022. Izay Sefo Fokontany nanontaniana hatreto, milaza fa tsy mbola nisitraka izany fampakarana avo telo heny izany. Na ilay fampakarana ny tambin-karaman’ireo sefo Fokontany ho 40.000 Ar raha toa ka 20.000 Ar izany taloha, voarakitra ao amin’ny teti-bola nasiam-panitsiana izay nolanian'ny Antenimierampirenena ny taona 2022 aza mbola maro no milaza tsy nandray. Ny asa anefa mitombo, indrindra anatin’izao fanavaozana ny lisi-pifidianana izao izay nitarin hatramin’ny 31 mey 2023 ny fanoratana anarana eny anivon’ny Fokontany, araka ny nambaran’ny CENI nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo ny zoma 9 febroary teo.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap