airtel

Actualités

13-mars-2026

Sehatra famerenan-kasina ny Fokonolona

"Mbola azontsika avaozina tsara izao firenena izao"

Sample post image

Namoaka fanambarana tetsy

13-mars-2026

amin'ny Arrupe Faravohitra omaly ny Sehatra famerenan-kasina ny Fokonolona, izay ivondronan'ireo Kristianina, Olobe, firaisamonim-pirenena, fikambanana resy lahatra fa mila mitodika amin'ny fokonolona isika rehetra mba ho fanavaozana mafy orina sy andrasan'ny malagasy rehetra anjara no ho tanterahina. Toy ny firenena rehetra i Madagasikara, hoy izy ireo, fa efa ela no nitady endrika, fomba, rafitra tsara itondrana ny firenena ka niezaka nanatsara sy nanavao hatrany mba ho tombontsoan'ny vahoaka malagasy rehetra. Mbola azontsika avaozina tsara izao firenena izao. Ny fanorenana ifotony ny firenena amin'ny alalan'ny famerenan-kasina ny maha olona dia ny olombelona malagasy amin'ny alalan'ny fokonolona no lalana. Ilay endrik'Andriamanitra Andriananahary eo anivon'ny fiarahamonina malagasy. Fokonolona tsy lany andro mitazam-potsiny na mialangalana manoloana ny raharaham-pirenena no andeha hajoro fa mba ho fokonolona tompon-teny, tompon-tany, tomponandraikitra. Ho atomboka ny 28 martsa izao amin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana etsy amin'ny Arrupe Faravohitra ihany ity tetikasa izay ho entina anivon'ny fikaonandoham-pirenena ity, hoy hatrany ny fanazavana sy fampitam-baovao nomen'ity sehatra ity.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap