Tsy manaiky ny fanendrena an’i Be-Rija Ravelomanantsoa ho Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga na MPEB, izay voatendry nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny talata 5 mey 2026, ireo mpiasa ao amin’io ministera io. Efa Talem-paritr’io Minisitera io tany Boeny moa i Be-Rija Ravelomanantsoa tamin’ny andron’ny Fitondrana HVM, ka nilaza omaly fa tsy vaovao aminy io Minisitera io. Nanambara fitokonana anefa ny mpiasa mivondrona ao anatin’ny SEMPIJO taorian’ny fanendrena, araka ny ranty nivoaka tao amin’ny pejy ofisialin’ny ministera omaly maraina. Somary nanaitra ny endriky ny ranty satria navoaka mivantana tao amin’ny pejy ofisialy. Manome fe-potoana 48 ora ny mpiasa ny fitondrana fanavaozana hanesorana an’i Be-Rija Ravelomanantsoa amin’ny toerany ireo mpiasa, raha tsy izany dia hiroso amin’ny fitokonana izy ireo, raha ny fanambarana omaly. Ankoatra izay, nolazain’ny filohan’ny sendika fa tsy marina ny filazana fa nanolotra olona 11 izy ireo, izay midika fa nisy fangalaran-tsonia. Tsara ny mampahatsiahy fa isan’ireo nilaza ampahibemaso i Be-Rija Ravelomanantsoa tamin’ny fanendrena governemanta farany teo fa nametraka dosie ho minisitra, saingy tsy tafiditra ny tenany ka naneho ny tsy fahafaliany. Iray volana aty aoriana, voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny ministera, saingy toherin’ireo mpiasa. Isan’ny nampalaza azy ny fitarihana grevy teny amin’ny anjerimanontolo, saingy amin’izao fotoana izao dia izy indray izany no anaovan’ny mpiasan’ny ministera grevy. Etsy andaniny, nilaza ny Syndicat des docteurs vétérinaires de Madagascar fa manohitra ny endrika fanambaniana sy fanilikilihana ny dokotera veterinera, toy io tranga mahazo an’i Dr Be-Rija Ravelomanantsoa eo anivon’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga io. Nampahatsiahivina fa tsy misy trondro, makamba, drakaka na hazandrano hafa afaka mivoaka an’i Madagasikara raha tsy mandalo sonian’ny Vétérinaire Officiel ao amin’ny Autorité Sanitaire Halieutique. Lalàna iraisam-pirenena no mamaritra izany, hoy izy ireo, ary takiana amin’ny firenena rehetra mandray vokatra ny fananana « Certificat Vétérinaire » vao afaka miditra any. Mitazona anjara toerana lehibe araka izany ny dokotera veterinera, ary mifameno amin’ireo teknisianina hafa ny traikefa sy ny fahaizamanaon’izy ireo ho fampandrosoana ny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Manameloka ny tranga fanambaniana ny dokotera veterinera toy ny mahazo an’i Dr Be-Rija Ravelomanantsoa ny sendika. Andrasana araka izany ny tohiny hoe: hanao ahoana?
Toky R
Tratra nandritra ny hetsika nataon’ny