airtel

Actualités

08-avril-2026

Sekretera Jeneraly

vaovaon’ny COI nisolo an’i Edgard R.

Sample post image

Nankatoavina i Dr Ibrahim Norbert Richard,

08-avril-2026

diplaomaty Malagasy sangany…

Nandritra ny fivorian’ny Filankevitry ny Minisitra manokana natao tamin’ny alalan’ny videoconférence, nanapa-kevitra hanendry an’i Dr. Ibrahim Norbert Richard, diplaomaty malagasy, ho Sekretera Jeneraly vaovaon’ny COI (Commission de l’océan Indien) tamin’ny feo iray tsy nisy nitsipaka ny mpikambana ao amin’ity vaomiera ity. Kandida natolotr’i Madagasikara taorian’ny fametraham-pialan’ny Sekretera jeneraly teo aloha Edgard Razafindravahy io, izay nametra-pialana vao andro vitsy io. Izy no Sekretera jeneraly faha-11, izay nankatoavin’ny mpikambana ho firotsahana « de très bonne qualité et la hauteur des défis » na olona tena manana mendrika sy manana ny traikefa mifanojo amin’ny fanambin’ny COI, mifandraika amin’ny fampiroboroana ny firaisankina, ny fahamarinan-toerana, ary ny fampandrosoana lovain-jafy eo amin’ireo Firenena mpikambana. Diplaomaty Malagasy tena manana traikefa i Dr. Ibrahim Norbert Richard, nilomano tamin’ny tontolon’ny raharaham-bahiny sy ny fifandraisana iraisam-pirenena nandritra ny 40 taona. Manam-pahaizana amin’ny lalàna iraisam-pirenena avy amin’ny Oniversiten’i Aix-Marseille izy, Nahavita fiofanana manokana momba ny diplaomasia sy ny fitantanana fikambanana iraisam-pirenena tany Paris. Nanomboka tamin’ny 1988 izy no niditra tao amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, ary nanana andraikitra stratejika maro. Nandritra ny taona 2005–2019, izy no nisolo tena an’i Madagasikara tany Bruxelles, niandraikitra ny fifandraisana tamin’ny Vondrona Eoropeana sy fikambanana maro iraisam-pirenena. Tamin’ny 2020–2025, izy no Sous-Secrétaire général tao amin’ny OEACP, niandraikitra ny politika sy ny fampandrosoana maha-olona ho an’ireo firenena 79 mpikambana.
MANAN-DANJA
Ho an’i Madagasikara, ity fanendrena ity dia porofo fa matoky ny fahaiza-manao sy ny fahavononan’i Dr. Richard ny firenena mpikambana. Manamarika izany fa tafiditra lalina amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fitondrana anjara amin’ny sehatra indianôseanika ny diplaomasia malagasy. Ny fanendrena an’i Dr. Ibrahim Norbert Richard dia dingana lehibe ho an’ny COI sy ho an’i Madagasikara. Manambara izany fa mitana andraikitra lehibe amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny diplaomasia malagasy, ary manokatra pejy vaovao ho an’ny fikambanana amin’ny fanatanterahana asa mivaingana sy mahakasika mivantana ny vahoaka ao amin’ny faritra Indianôseanika. Irariana noho izany ny fahombiazana kokoa satria Malagasy nisolo Malagasy izany ny Sekretera Jeneralin’ny COI.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Misy ireo toetra tsy maintsy ananan'ny

Card image cap
16-avril-2026

machine élévateur" ilay olona

Card image cap
14-avril-2026

antsika fa ny hafa no mahazo tombony»

Card image cap
14-avril-2026

Ampangain’ny PAN ho mpanakorontana ireo ampahana GEN Z

Card image cap
14-avril-2026

mpanao kolikoly izaho sy ny Filoha ! »

Card image cap
14-avril-2026

Tovovavy iray izay lany

Card image cap