airtel

Actualités

22-sept-2022

Actualités

Sendika sy Minisiteran’ny Fitsarana Lasa resaky ny moana sy ny marenina ?

Sample post image

“Tsy misy ambadika politika fa fifandrifian-javatra ihany, ny lalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara dia milaza fa isaky ny 10 taona ny fanavaozana faobe ny lisi-pifidianana, ka nitontona 2022.

22-sept-2022

Tsy misy ifandraisany satria tamin’ny 2012 ny fanavaozana farany. Ezahina ampifandraisina, kanefa tsy misy ifandraisany”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana niezaka naneho fa tsy misy ifandraisan’ny amin’ny raharaha politika mihitsy ny tetikasa PRODIGY (Projet de gouvernance Digitale et de gestion de l'Identité MalagasY). Any amin’ny tapany Atsimo Atsinanana sy ny tapany Avaratry ny Nosy tahaka an’I SAVA no hanombohana azy, izay efa nisokatra nanomboka ny 01 septambra. Tsy araka ny hoe: hisy ny fifidianana, dia manenjika 3 tapitrisa, hapetraka ny “guichet unique”, tombony ho anay satria asanay andavanandro. Fanafainganana ilay asam-pitsarana ilay izy, hoy io tompon’andraikitra ambony io. Tsara anefa ny mampahatsiahy, fa ny 9 septambra ny dia nanambara ny sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara na ny SMM fa hampiato an’io aloha satria maro ny zavatra tsy mazava sy ny pitsopitsony samihafa. Nanaraka izany ihany kosa ny sendikan’ny mpiraki-draharaha, ary na efa nisy aza ny fanapahana tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra vao tsy ela fa homena tambin-karama ireo rehetra mandray anjara amin’io tetikasa io izay miisa 29805 dia tsy mampihetsi-bolomaso azy ireo, izay nanipika fa tsy nahafaly azy ireo ny vava nataon’ny Minisitera hoe: raha ady no ilaina dia vonona, ka tahaka tsy tahaka ny Raiamandreny sy zanaka intsony. Manamafy ny fitakiany hatrany amin’ny 2012 momba ny fijerena ny satan’izy ireo. Momba ity tetikasa ity, nilaza io Sekretera Jeneralin’ny Minisitera io, fa efa misy ny fifampiantsoana, fifandresen-dahatra atao amin’izao fotoana izao. Isan’andro misy ny fifanatonana. Raha miteny ny sendika hoe: tsy hanatanteraka izany, dia miantso ny mpitsara hoe: aza atao takalon’aina ny vahoaka. Misy ireo manao, ireo tsy manao kosa amin’ny maha sendika dia zon’izy ireo. Lasa resaky ny moana sy ny marenina ve?
Toky R

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap