airtel

Actualités

05-oct-2026

Sendikan'ny

"Auto-école" eto Madagasikara

Sample post image

Ela loatra ny "permis biometrika,

05-oct-2026

manjaka ny hosoka sy ny tsy ara-dalàna,...
Mampaneno lakolosy eo anatrehan'ny fitarazoan'ny famoahana fahazoan-dalana mamily fiara amin'ny endriny biometrika ny Sendikan'ireo toeram-pampianarana hamily fiarakodia na Sendycat des Auto-écoles de Conduite de Madagascar (SECOM), ahitana ireo mpikambana toy ny Syndicat des écoles de conduite Antananarivo Madagascar (SECAM), Fikambanan'ny Auto-école Miezaka (FAMI), Fikambanan'ny Auto-école Toamasina (FIAT),... Miteraka voka-dratsy amin'ny asan'izy ireo, kanefa ny fanadinana hahazoana mamily fiara dia tsy maintsy avy amin'ny Auto-école, fa tsy misy intsony ny kandida mahaleotena. Betsaka ihany koa ny orinasa tsy mandray sy misalasala amin'ireo fahazoan-dalana mamily vonjimaika na "permis provisoire" izay an-taonany tsy miova. Mbola baraingo ihany koa aza ny hoe tena mahafeno ny fepetra maha biometrika azy ve ilay biometrika izay an-taonany tsy mivoaka. Io izay orinasa manokana na "prestaire" no manao azy. Manjaka ny fisian'ny kolikoly ka tsy mahatoky intsony ireo "auto école" ireo mpianatra ho mpamily fiara mikasika ny fangalana "Permis biométrique". Io izay 2.000Ar amin'ny 38.000Ar aloan'ny mpiadina tsirairay avy no mankany amin'ny kitapom-bolam-panjakana raha ny henon'izy ireo, kanefa mitarazoka. Ela loatra sy manahirana ny fikarakarana sy famoahana ny "permis de conduire biométrique", lasa misy ny fanaovana hosoka ny "permis de conduire provisoire", ka "Avereno amin'ilay permis baoritra rehefa tsy voafehy", hoy ny Sendikan'ireo toeram-pampianarana hamily fiarakodia. Mirongatra ihany ireo milaza fa mampianatra mamily fiarakodia eny amin'ny tambajotran-tserasera, miampy ireo mampanao "conduite accompagnée", izay voararan'ny lalàna tanteraka. Misy ny fepetra henjana amin'ny fahafahana mamily fiarakodia, ary fiara manokana "double pédales" no atokana amin'izany, vita fitsirihana ara-dalàna isaky ny 3 volana,... Ny auto-école tsy maintsy manana "agrément", ny moniteur dia tsy maintsy manana CAPP,... Efa namoaka ihany koa ny Minisiteran'ny fitaterana ny 17 jona 2024 fa voararan'ny lalàna ny fampianarana hamily fiarakodia afatsy ny auto-école ihany. Araka ny lalàna n°2017-002 tamin’ny 8 Jolay 2017 sy ny didy n°12.125/MT tamin’ny 12 Mey 2015, dia voafaritra mazava ny fepetra sy ny fitsipika amin’ny fanomezana fahazoan-dàlana ho an’ireo sekoly mampianatra fitondrana fiara. Ny tanjona dia ny fanamafisana ny fiarovana eny an-dalana sy ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana amin’ny alalan’ny fanabeazana ara-teknika sy ara-pitondrantena ho an’ireo mpianatra, ka hanaovan'ny SECOM antso hisian'ny fandraisana fepetra hentitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-oct-2026

Tsy nisy kolikoly, nisy BIANCO sy komity,

Card image cap
05-oct-2026

Nahazo « poste fixe mixte »

Card image cap
02-oct-2026

Nandika lalàna matoa vosambotra ! »

Card image cap
02-oct-2026

Napetraka ireo boky torolalana vaovao,

Card image cap
02-oct-2026

Hatsaraina ny fitantanana sy fiarovana ny volam-bahoaka

Card image cap
02-oct-2026

Voaheloka 10 taona an-tranomaizina

Card image cap