Miha ratsy ny fifandirana ara-pitantana, ankoatra ny tsy fahitana ny Tale Jeneralin’ny Jirama izay voan’ny covid-19 sy tao anaty lisitry ny mpandeha an’ny zotram-piaramanidina iray saika ho atsy La Réunion no naharenesana azy farany. Nanao fanambarana ny sendikan’ny mpiasa omaly, fa tandindin-doza ny orinasa JIRAMA amin’izao fotoana izao, ka isan’ny tompon’andraikitra feno amin’izany ny Minisitra, izay tondroin’izy ireo fa mitsabaka amin’ny raharahan-tokatranon’ity orinasam-panjakana ity. Mitaky ny fialan’ity Minisitra ity ny sendika, izay nilaza fa: Tsy ekena intsony ny fidiran'ny minisitera na mpiasan'ny minisitera amin'ny asan'ny Jirama; tsy tokony ahilika amin'ny mpiasan'ny Jirama ny tsy fahaiza-mintanana; lany andro amin'ny fifanilihana andraikitra sy ady seza ny fanarenana ny Jirama,… Miantso ny Filohan'ny Repoblika handray an-tanana mahakasika ny orinasa ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama, araka ny fanambarany omaly, ary tsy mandray baiko avy amin’io Minisitra io. Nangataka fihaonana teo amin’ny “Direction Générale” moa ny Vondrona Sendikaly teo anivon'ny orinasantsika JIRAMA ary nisy ny fifampiresahana. Nitondra ny hetahetany ny amin’ny mba hiheverana ny Mpiaramiasa sy ny orinasa manoloana izao zava-misy ankehitriny izao, tahaka ny fahamaizan'ny JIRAMA ao Marolambo, izy ireo. Nanamafy ny Direction Générale fa ny tanjona dia ny hampandroso ny orinasantsika JIRAMA sy ireo mpiaramiasa ary hanatsara hatrany ny tolotra ho an'ny Mpanjifa, ka iarahana misalahy amin’ny Vondrona Sendikaly izany. Nohamafisin’ny mpiasa noho izany tsy handray baiko avy amin’ny minisiteran’ny Angovo intsony ny Direction Générale ary takian’izy ireo ihany koa ny fialan’ny Minisitra Andry Ramaroson.
TOMBANA
Tsara ny manamarika, fa nialohan’izao dia nisy ilay tombana notarihin’ny Minisitra natao tamin’ireo Tale teo anivon’ny Jirama. Tsy nahafaly ny Sendika ny famoahana ny sarin’ireo Tale tany amin’ny tambazotra raha toa ka tsy nanisy olana tamin’ny tombana kosa izy ireo. Naneho kosa fa ny mpiasa dia mpanatanteraka baiko ihany ka tsy tokony hitady izay hanilihana sy hotapahan-doha ny Minisitra izay tompon’andraikitra voalohany, ary izy no nanendry an’ireo tamin’ny volana martsa. Ny tatitra tamin’ny fanadihadiana ireo Tale miisa 30 teo no natao, ka ny no nambara fa azo lazaina ho 19 nolazaina fa nahafa-po, ary 11 no tsy nahatratra ny salan'isa. Haverina hodinihina ny momba ny sasany amin'ireo. Hojerena ny toerana mety hampahomby azy.
FANILIHANA NY TSY FAHOMBIAZANA
Nilaza ny Minisitra Andry Ramaroson taorian’izay fa ny 70% amin’ny olan’ny Jirama dia noho ny tsy fahafehezan’ny teknisianina ao amin’ny Jirama ny asany ary ny 30% noho ny hasoparana. Toa endrika fanilihana ny tsy fahombiazana any amin’ny mpiasa. Taorian’izay, tsy nandrenesam-peo intsony ny tohin’ny tombana, fa dia io fanambaran’ny mpiasan’ny Jirama omaly io no niafarany. Rehefa zohiana, kazaran’ny mifampiampanga ny sendika sy ny Minisitra, hany ka mandeha ihany koa ny fivoizana fa tahotry ny tombana no mahatonga ny sendika hidingin-drambo. Mampanao tombana ny Minisitra fa iza izany no manao tombana azy sy ny ekipany? Tena mahita ve ny Filoha fa tena mahavaha olana ny Minisitra izay tompon’andraikitra voalohany sa mitady izay hanilihana sy hotapahan-tenda tokoa ?
Toky R
Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy
Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA
Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na
Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.