Tsy nanara dalana izy ireo amin'ny fampiasana milina mavezatra. Tsikaritra tamin'izany ihany koa fa mampiasa "mercure" mampidi-doza sy manimba tontolo iainana ireto sinoa ireto. Fitaovam-pitrandrahana tsy nahazoana alalana ao amin'ny reniranon'Kamoro, kaominina Marokoro, disitrikan'i Maevatanana raha ny nambaran'ny minisitry ny harena an-kibon'ny tany sy loharanon-karena stratejika. Tratra teo amperin'asa mihitsy ireto sinoa ireto teo am-pitrandrahana volamena tsy ara-dalàna. Nogiazana avokoa ireo fitaovana izay nampiasain'ireo ka anisan'izany ny milina lehibe , sambo, "drague à godets" ary "tapis" fanivanana volamena sy solika raha ny nambaran'ny ministera. Mampametra-panotaniana ny tsy nahitan'ny manam-pahefana tany an-toerana sy ny mpitandro filaminana izao fitrandrahana lehibe tsy manara-dalàna izao. Eo ihany koa ny fomba nahatafidiran'ireo fitaovana lehibe ireo tany an- toerana izay tsy maintsy notaterina tamina fiara lehibe. Manana tanjona ny minisitera ahitana ireo izay tena atidoha mikotrika amin'ity fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko ity. Efa mandeha ny fanadihadiana ireo sinoa voasambotra. Nahitana toeram-pitrandrahana tsy ara-dalàna samihafa ankoatran'ny tao Madisovato tao amin'ny kaominina Marokoro moa tany an-toerana, raha ny nambaran'ny minisitera hatrany.
Princy Lucas
Legende : ilay milina tsy ara-dalana nampiasain'ireo Sinoa
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa