airtel

Actualités

28-déc-2022

Actualités

Sivy andro tsy hita popoka Nisy nahatazana teny Ampitatafika i Tahiry

Sample post image

Sivy andro omaly talata 27 desambra no tsy nahitana an’i Tahiry, Raim-pianakaviana iray 49 taona monina eny Atsimondrano eny.

28-déc-2022

Raha araka ny fanazavan’ireo fianakaviany dia nisy nahita teo amin’ny sampanana ampitan’ ny paompy vao miakatra an’ Ampitatafika atsimo ity Raim-pianakaviana ity sy tovolahy iray zarazara hoditra tamin’ny zoma talohan’ny fetin’ny noely teo. Nihodinkodina teo amin’io sampanana io izy ireo raha araka ny loharanom-baovao azo. Mino araka izany ny fianakaviany fa tsy namoy ny ainy araka ny feo mandeha i Tahiry izay marihina fa salama saina tsara. Iangaviana araka izany izay mahita an’i Tahiry mba hampandre ireo fianakaviany na koa hiantso ny laharam-pinday 038 05 217 41. Tsiahivina moa fa manambady niteraka mianadahy izy. Miforitra ny tongony ilany , mihantona ka mitondra tehina hazo eo ambany heliny izy noho izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap