airtel

Actualités

18-janv-2024

Soaniadanana Sabotsy Namehana

Fatin-jazarano enim-bolana an-kibo nisy nanary

Sample post image

Zaza kely mbola enim-bolana an-kibo no nisy nanary teny

18-janv-2024

amin’ny Fokontany Soaniedanana Sabotsy Namehana, araka ny vaovao avy eny an-toerana omaly. Ankizy sendra nilalao no nahatsikaritra « Sachet » maintimainty teo amoron-drano, izay nisy ny fatin’ity zazarano ity. Ireo zaza ireo indray no nitatitra tamin’ny olon-dehibe teo an-tanana, ka dia vory ny ny manodidina nijery sy namantatra. Araka ny filazan’ny lehiben’ny Fokontany dia tsy nisy nahatsikaritra ny olona nahavita izao zava-doza izao ny tety amin’ny manodidina, fa tombanana ho tamin’ny andro alina no nanariana azy ity, fa misy kosa ireo mponina milaza fa mety navalany tamin’ny rano izy, nentin’ny rano, ka izao tafapetraka eto amin’ny Fokontany Soaniedanana izao, hoy ny vaovao sy fanazavana. Rehefa nampandre ny zava-misy tamin’ny Ben’ny tanana ny mponina, ka naniraka ny ekipany nidina teny an-toerana, sady nitondra lamban-drazana hamonosana ny ny maty. Nentina nalevina teny Manantenabe, izay toeram-pandevenana ny vahiny lavin-kavana eto Sabotsy Namehana moa izy io taorian’ny fitsirihana.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap