airtel

Actualités

02-mars-2022

Actualités

Soavimasoandro Voasambotra ilay lehilahy nanolana ny zanany vavy

Sample post image

Omaly no voasambotra teny Soavimasoandro raha araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny olon-tsotra tsara sitrapo ilay Ray niteraka nahavita nanolana ny zanany vavikely vao 13 taona monja. 37 taona itsy voalohany raha ny fantatra.

02-mars-2022

 Rehefa hitan’ny tao an-trano fa hafahafa ny fihetsik’ity zazavavy kely ity dia nanontaniana izy ka nilaza ny marina. Na izany aza somary nisy fanerena ihany natao azy noho ny tahony ny sao hodarohan’ilay hainy. Efa in-droa nisesy mantsy izy no nanamparan’io Rainy io ny filan-dratsiny no sady mahazo fandrahonana ny ho voadaroka foana raha vao mitantara ny zava-misy marina amin-dReniny. Nitsoaka avy hatrany io ray nahavanon-doza io taorian’ny nahafantarany fa nilaza ny marina ilay zaza ka izao tratra tao Soavimasoandro omaly izao. Hetahetan’ny rehetra moa no hamaizana mafy ny lehilahy mahavita manolana tahaka izao mba tsy hamerenany izany intsony. Alefa eny Tsiafahy ohatra raha araka ny hevitry ny sasany na gadraina mandrapahafatiny ihany koa ho an’ny sasany. Ho an’ny sasany indray dia ny hanapahana ny filahian’izy ireny mihitsy no tena mety mba hahatsiarovany mangirifiry. Na izany aza fanehoan-kevitra avokoa izany rehetra izany fa ankinina amin’ny fanjakana sy ny fitsarana ny fahendrena.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap