Raha tsiahivina dia niompana tamin'ny fifampizarana ny paikady entina hanatsarana ny fiainan'ireo olona manana toe-tena varira aty Afrika ny fihaonana ankoatra ny fitadiavana izay fomba hatao mba hahazoana fiaraha-miasa maty paika amin'ireo mpisehatra maro samihafa, amin’ireo karazana fanampiana azony hatolotra. Ho an’Atoa Soja Fulgence dia anisan’ny tena nangatahiny ny hanampiana ireo ankizy manana toe-tena varira mbola maniry te-hanohy fianarana mafy nefa tsy afa-manoatra noho ny fahasahiranany sy ny toe-pahasalamany. Toraka izany ihany koa ny fanampiana azy ireo amin’ny resaka fanafody hiarovana ny hodiny rehefa mivoaka ao an-tokantrano…. Solontenana firenena 14 aty Afrika moa no nosoloin’Atoa Soja Fulgence filohan’ny Albinos Madagascar tena tamin’izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Atoa Soja Fulgence, filohan’ny olona manana toe-tena varira eto Madagasikara
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa