airtel

Actualités

07-avril-2026

Solontenan'ny OJM ao amin'ny CENI

Miisa 7 ireo nametraka

Sample post image

firotsahan-kofidiana

07-avril-2026

Nifarana ny Talata 31 martsa 2026 lasa teo ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahana ho fidiana izay ho solontenan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety ao amin'ny Vaomieram-pirenena mahaleontena momba ny Fifidianana (CENI). Miisa fito mianadahy ireo mpanao gazety nahatafapetraka ara-potoana ny antontan-taratasiny. Anio Talata 7 aprily 2026 no hanao fanambarana amin'ny Mpanao Gazety etsy amin'ny Foiben-toeran'ny Holafitra etsy Ambohidahy Antananarivo ny Komitim-pifidianana, vao nijoro ny 2 Aprily teo, izay hiandraikitra ny fikarakarana ny fifidianana izay ho solontenan'ny Holafitry ny mpanao gazety eo anivon'ny CENI, hilaza ny isan'ireo kandidà nirotsaka sy ny andinindiny tsara ho fantatra momba ity fifidianana ity. Ny "Collège électoral" miisa 42 no hifidy izay ho solontenan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eo anivon’ny CENI, ka ny 5 avy amin'ny "Club des Conseillers", izany hoe ireo Filohan'ny Holafitry ny Mpanao Gazety teo aloha mbola velon'aina ; ny 7 avy ao amin'ny CT OJM Nasionaly, 6 "Coordonnateurs Provinciaux" ary 24 "Coordonnateurs Régionaux".
Jean D.
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap