Novambra teo na dia mbola tsy mirotsaka aza ny ranon’orana. Tsy vitsy ireo efa miezaka ny mikarakara ny tranony manoloana izany manolo ireo kojakoja ahiana hitera-doza mandritra ny ranon’orana toy ny tafon-trano. Ho an’ireo tsy manana fahafahana moa dia ampiana fasika amin’ny gony….ireny tafo ireny arahin’ny fanampenana ireo diam-pantsika mba tsy hitete ny trano. Ho an’ireo tsy afa-manoatra intsony kosa fa tsy maintsy manolo dia fantatra fa maro no voafitaka. Raha mba mikendry ireo tafo matevina sy tsara ary amin’ny refy tena izy mantsy izy ireny dia ny mifanohitra amin’izay no mitranga. Nambaran-dRtoa Kezia Andriamiarantsoa, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Mora tole fa tsy izay mora akory no hatao hoe : tsara sy amin’ny kalitao fa izay avy amin’ireo mpamokatra manana mari-pandrefesana tena izy. Ho azy ireo manokana dia efa manana izany mari-drefy izany izy no sady misoratra eo amin’ny tafontrano vidiana ihany koa izany. Ankoatra izay dia manatitra maimaim-poana any an-tokantrano ihany koa izy ireo ho an’ireo izay mividy tafontrano mihoatra ny 1 tapitrisa Ar.
Pati
Legende : Ramatoa Kezia Andriamiarantsoa, tompon’andraikitra eo anivon’ny Mora Tole !
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto