airtel

Actualités

04-déc-2025

TAFS RAMAFADRAHONA

Raha mbola misy Malagasy

Sample post image

resy ka azoko ampiana dia ampiko

04-déc-2025

Niteraka resabe teny anivon'ny fiaraha-monina tato ho ato ny asa soa tanterahin'Atoa Tafs Ramafandrahona eto amintsika. Ao ireo milaza fa mitady toerana izy, antony manosika azy hanao ireny rehetra ireny raha milaza ihany koa ny sasany fa kajikajy politika io....Nanamafy anefa izy omaly fa tsy mitady seza ary tsy hiditra ao anatin'izao Fitondram-panjakana mijoro izao mihitsy. Tena ilaina ny fanavaozana toy ny misy ankehitriny hoy izy saingy tsy voatery mahazo toerana vao afaka nanao zavatra.Ny ahy efa lova nolovaiko tamin'ny Havana Ramafandrahona koa raha mbola misy Malagasy resy ka azoko tohanana sy ampiana dia tsy maintsy mijoro aho. Notsiahiviny manokana moa fa anisan'ny olona tena nijoro nanampy ny Capsat ny tenany tamin'ny fotoan'androny. Olona akaiky ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblika ihany koa ny izy, antony hifanomezany tanana amin'ny Fitondran-panjakana hanatsarana ny sosialim-bahoaka.
Pati
Légende : Atoa Tafs Ramafandrahona vonona hanampy hatrany ny mpiray tanindrazana !
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap