airtel

Actualités

28-nov-2025

Tahina Razafinjoelina

« Andao jerena ny antony

Sample post image

fa tsy andramana izay mbola tsy natao »

28-nov-2025

Manoloana izao zava misy eto amin’ny firenena izao dia maro be ny olona misaina hoe “andao atao izay mbola tsy natao fa izay no tsy nahatafita”. Nahitsy i Tahina Razafinjoelina Filohan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazaa naneho hoe hevitra fa tsy mety izany satria ny mila jerena ny lesoka sy ny vahaolana. « Tsia, aza vonoina ho faty ny zanaka rehefa maditra satria hoe tsy mbola natao mihintsy izany. Aleo jerena ny antony mampaditra azy dia izay no amboarina. » Misy, hoy izy, mitady hiverina hatrany am-boalohany mihintsy, angamba ho foanana koa ny finday sy ny akanjo ka hiverina hisalaka satria sao ireny no napahantra antsika? Eny, hatramin’ny finoana ary dia tadiavintsika ho foanana fa izany no heveritsika napahantra. Firifiry nefa ireo firenena mino nefa tafita? hoy hatrany ny tenany. « Amin’ny maha antoko politika anay dia nodinihinay teo anivon’ny antoko io ary ny antony lehibe indrindra mapahantra antsika dia isika Malagasy manjifa kokoa fa tsy mamokatra eto amin’ny tanintsika. Noho izany dia betsaka ny vola mivoaka nohon’ny vola miditra. Izay no antsoina hoe fahantrana. », hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Andao, hoy izy, hatsaraina ny fanabeazana hitodika bebe kokoa amin’ny fahalalana ny firenentsika ahafahantsika Malagasy miasa sy mivelona eto amin’ny tanintsika. Ny hafa ve tonga eto hila ravinahitra dia isika maika hiala? Andao hamoraina ny sehatra ahafahan’ny Malagasy miditra amin’ny tsena iraisam-pirenena mba hampidirana vola vahiny. Andao ho aparitaka manakaiky ny mpamokatra ny volam-panjakana fa tsy ajanona anaty birao, hoy i Tahina Razafinjoelina izay manamafy hatrany fa ny fanabeazana, ny fanapariahana ny fahefana sy ny volam-panjakana, ny nomerika no anisan’ny fanalahidy lehibe hivoahan’ny Firenena amin’ny fahantrana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap