io no isan’ny lohahevitry ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra tao anatin’ny "La nuit des idées" andiany faha-8 tao amin'ny IFM Analakely omaly 23 martsa. Niresahana ny zava-misy maneran-tany, ary nidirana tamin’ny mikasika an’I Madagasikara sy ny vahaolana hampandrosoana azy. Isan’ny nahaliana ny famelabelara nataon'i Tahiana Razafinjoelina manam-pahaizana, mpampianatra mpikaroka momba ny informatika sy ny kajy mirindra, momba ny zava-misy sy ny tsara ho fantatra mikasika ny Malagasy sy ny fiainany ary ny ho aviny. Aminy, ny olombelona no harena ananantsika voalohany, miampy ny tontolo iainana, kolontsaina ary ny fahaizana amam-pahalalana. Ireo no fanalahidy mila hay sy fehezina ny fandrindrana azy. Misy tokony ho tandremana sy saintsainina tsara anefa, hoy i Tahina Razafinjoelina ny amin'ny fomba itantanantsika ny rano ohatra, izay fototry ny fiainana, ary azo avadika ho angovo ihany koa. Misy ambana ho an'ny zanak'olombelona ihany koa, hoy izy, ny figorisan'ny teknolojia mankany amin'ny antsoina hoe “Intelligence Artificielle” satria ho avy ny fotoana mety ho soloin'ny milina ny asan'ny olombelona. Notsipihiny fa manana fahalemena isika amin’ny lafiny fanabezana, ka mila fanavaozana be. Somary lasa mirona any amin’ny fifaninanana, fa tsy ny hahay. Olona hiasa sy hamokatra ve sa olona ho lasa vesatra ho an'ny fiarahamonina ireo? Tena fantatsika ve ny firenentsika? hoy hatrany izy. Isan’ny nomarihiny ny fananatsika ireo harenantsika samihafa na ambanin’ny tany na an-tanety na an-dranomasina toy ny vato malakita, ny hazo sarobidy toy boaderozy,… saingy betsaka ny Malagasy no tsy mahalala izany akory. Isika Malagasy anefa no afaka mampandroso voalohany ny firenena, ka aminy dia mila manana finoana, sy mahatoky tena ary mifampatoky isika. Tena Maranin-tsaina ny Malagasy, hoy izy, saingy mahagaga fa mahantra i Madagasikara, misy zavatra mila ahitsy izany ao. Eto daholo ny harena fa mila ampianarina sy fehezina, ary raha tena te hivoatra sy handroso isika dia ny asa no mila atao betsaka fa ajanona ilay fifaninanana mitondra any amin'ny fialonana sy famingapinganana io, tsy tokony ho maika hitady voninahitra ihany koa fa mahay miara-miasa ho amin'ny tombotsoa iombonana. “Malagasy mifanampy fa tsy mifaninana, no ilaintsika”, hoy i Tahina Razafinjoelina namarana ny famelabelaran-keviny.
Toky R
Omaly alakamisy 25 may 2023 no fotoana nofaritana fa hisantarana ny tsenan’ny lavanila tao Ambalahonko, Ambanja. Tsy vaky anefa ny tsena,
Tsy misy tokony hahagaga ny havandra sy ny orana nitranga omaly hariva tamin’ny faritra maro, indrindra, ny afovoantany,
Efa tsy milamina intsony ny tontolo iainana. Azo lazaina ho rakotra havandra ny fidiran’ny ririnina, raha nahita ny rotsak’orana omaly
Lehilahy iray 23 taona no saron’ny Polisy teny Antaniavo ny Alarobia 24 may teo tokony tamin’ny 11 ora maraina rehefa nitsindrona rongony mahery vaika na roro.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 may 2023 ny firosoana amin'ny fitakiana ny trosa tokony hiditra