airtel

Actualités

04-août-2023

Actualités

Tale Jeneralin’ny CNaPS Henjana ny miandry azy…

Sample post image

Voatendry nandritra ny filankevitry ny Minisitra ny alarobia 02 aogositra teo ny Tale Jeneralin’ny CNaPS vaovao, dia Atoa Rahaingonjatovo Vimbina.

04-août-2023

Tsy olona avy ao anatin’ny CNaPS fa avy aty ivelany. Tale Mpanatanteraka teo anivon’ny orinasan-tserasera an-tariby iray teo aloha ny tenany. Olona akaiky ny fitondrana mazava ho azy matoa voatendry, ka ny vadiny dia misy milaza fa mpanolontsaina any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika, niara-nianatra tamin’Atoa Louis Ellys Cédric izay efa tompon’andraikitra teo anivon’ny CNaPS sady vadin’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola,… Raha hiverenana, dia nesorina ny Tale Jeneraly teo aloha Atoa Arizaka Rabekoto Raoul vao tonga teo ny Fitondrana Rajoelina. Nenjehina ka nitsoaka any ivelany. Napetraka ho Tale Jeneraly mpisolo toerana Rtoa Joslina Tsaboto, ary notendrena avy eo Atoa Mamy Rakotondraibe. Nisy ny olana ara-pitantanana, ka herintaona sy 4 volana no tsy nanana Tale Jeneraly rehefa naiditra am-ponja vonjimaika ny Tale Jeneraly Mamy Rakotondraibe ny 15 martsa 2022, ka Rtoa Joslina Tsaboto indray no notendrena ho Tale Jeneralympisolo toerana saingy nogadraina ny 22 jona, ary navoaka ny 07 jolay. Io voatendry io indray ny Tale Jeneraly vaovao Atoa Rahaingonjatovo Vimbina, izay betsaka ny zavatra mety miandry azy momba ny fandaminana ny CNaPS sy fandravonana ireo olana samihafa. Olona akaiky ny Fitondrana izy ka asa izay ho fandehan’ny fitantanana eo anatrehan’ny mety ho fikasan’ny Fanjakana hindrana sy hampiasa ny volan’ny CNaPS tahaka ny efa niseho teo aloha?
Toky R


 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap
16-mai-2025

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

Card image cap
16-mai-2025

Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na

Card image cap
16-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,

Card image cap
16-mai-2025

Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,

Card image cap
16-mai-2025

Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.

Card image cap