airtel

Actualités

28-févr-2024

Tambazotran-tserasera

Lasa saham-pisolokiana

Sample post image

Zary lasa saham-pisolokiana goavana, efa an-taona maro izao, ny tambazotran-tserasera.

28-févr-2024

Nandeha tao daholo ry Antares sy ny tariny. Matetika tranga faheno koa ny fangalarana kaontin’olona entina hangatahana volabe amin’ny naman’iny olona sady hanalana baraka azy rahateo. Na endrika fisolokiana madinika na avo lenta dia hita ho saika mitoby ao avokoa, indrindra moa amin’ity be mpampiasa indrindra ity dia ny Facebook izany. Ny mahagaga dia maro ireo malagasy mikirakira azy itony no tsy mety fay fa mbola voajonon’izy ireny hatrany ary dia nahitana sy nahenoana izany indray moa ny vaovao niparitaka omaly. Nilaza ny lehilahy miisa 2 ny fiandohan’ity taona 2024 ity fa mpifehy na «maitre» an’ireo vola mankany amin’ny mpikambana ao amin’ny vondrona tantanan’izy ireo ka dia nibaiko vola iray gony ho any am-baravaran’ny isan-tokantrano hividianan’izy ireo trano, fiara, zava-tsarobidy samihafa saingy mila mandefa fanomezana any amin’izy rahalahy ireto anefa mialoha izany. Nanome laharam-pinday moa izy ireo no sady nanamarika fa mety tsy ho voavaly daholo ny antson’ireo mpikambana fa rehefa nanome am-pitiavana izy ireo dia misy fitiavana miverina amin’izy ireo. Arakan y fampitam-baovao voaray hatrany moa dia naiditra am-ponja izy mirahalahy ireto noho ny antony voalaza fa nanodinkodina zaza tsy ampy taona, izay zanaky ny mpikambana ihany. Andrasana indray, araka izany, ny tohin’ity raharaha izay sady mahatsikaiky no mampalahelo ity! Mbola hisy manaraka azy ireo hiforona sy hanjono olon-kafa indray ve?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap