airtel

Actualités

15-oct-2025

TANA WATER FRONT AMBODIVOINA

Nisy voaroba hatrany amin'ny 500

Sample post image

tapitrisa Ar ireo mpandraharaha

15-oct-2025

Nisy voaroba hatrany amin'ny 500 tapitrisa Ar ireo mpandraharaha nanana ivon-toeram-pivarotana tetsy amin'ny Tana Water Front Ambodivoina. Hiverina hisokatra ny voalohan’ny volana novambra ho avy izao ny toeram-pivarotana Tana Water Front etsy Ambodivona ny alin'ny 25 Septambra teo. Na izany aza dia fantatra fa efa manao ezaka ny tompon'ny tranom-barotra ary hiverina hisokatra ny fiandohan'ny volana Novambra ho avy izao izany. Izy ireo avokoa no manao ny asa fanamboarana ny simba amin’ny resaka foto-drafitrasa rehetra raha ny orinasa mampiasa ny « box » hofainy kosa no misahana ny fanarenana izany. Tsiahivina moa fa ny ankamaroan’ny « box » tao amin’ny Tana Water Front no niharan’ny fandrobana ny alin’ny 25 nifoha 26 Septambra lasa teo. Tafiditra tao anatin'izany ny toeram-pivarotana moto, ny banky sy ny toeram-pivarotam-panafody....Tsy mbola nisy nahazo tolo-tanana na fanampiana moa ny tompon'ity ivon-toeram-pivarotana ity sy ireo mpanofa ao aminy hatreto. Ezak'izy ireo madiodio no hanarenany ny orinasany mba tsy hahatapakabe loatra ny fidiram-bolan'ny tsirairay.
Nangonin'i Pati
Légende : Nisy tena very volabe ireo magazay tety amin'ny Tana Water Front !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap