airtel

Actualités

04-avril-2023

Actualités

Tanamasoandro sy tanàna vaovao tsisy vola

Sample post image

Any amin’ny Egyptianina indray no mandadilady

04-avril-2023

Mitady fiaraha-miasa amin’ny Egyptianina amin’ny fanatanterahana ireo velirano tsy tanteraka sy mahakely finoana ny hahavitany hatramin’ny faran’ity taona ity ny Fanjakana Rajoelina. Nandray ny masoivoho Egyptianina Rabab Abdelhadi ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana Atoa Gérard Andriamanohisoa ny faran’ny herinandro teo. Isan’ny nifampiresahan’ny roa tonta sy nifanakalozana hevitra amin’ny fiantsoana ireo mpampiasa vola Ejiptianina mba handray anjara amin’ny fananganana tanàna vaovao kasain’ny Fitondrana hatao. Nisy ny fifanakalozan-kevitra miksaika ny tetikasa tanamasoandro sy ireo tanàna vaovao, hiaraha-miasa amin’ireo mpampiasa vola sy orinasa Egyptianina ka hanasana ireo orinasa avy amin’io firenena io handray anjara amin’ny fananganana izany, raha ny fanazavana. Nolazaina fa efa manana traikefa amin’ny lafiny fananganana tanàna vaovao sy ny fanorenana ny Egyptianina. Notanisaina mihitsy fa tanàna vaovao 22 amin’ny 30 nampahafantarina fa hatao no efa an-dalam-pananganana ary misy 4 efa miasa. Nambara fa hapetraka ny fiaraha-miasa amin’I Egypte mba handrafetana sy hanamafisana orina ny fifanakalozana eo amin’ny firenena roa tonta. Toa mbola manaporofo ihany io, fa poakaty sy tsy voalanjalanja hatrany am-piandohana ny hoenti-manana amin’ity ambara fa tetikasa goavana ity. Aty amin’ny fiafaran’ny taom-piasana mbola fitadiavana mpiara-miombon’antoka hampiasa vola. Ny tambin’izany mbola baraingo. Nihemotra indray ihany koa angaha ny Al Jaber no mandadilady amin’ny Ejiptianina. Raha hiverenana, ny 30 mey 2022 no nambaran’ny Filoha nandritra ny diany tany Abu Dahbi fa ho mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara amin'ny fanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro ny vondrona AL JABER, izay vondrona matanjaka anisan'ny nanangana ireo fotodrafitrasan'ny tanan'i Dubai sy Abu Dhabi izay fantan-daza maneran-tany ankehitriny. Nihaona tamin'ny Filohan'ny Filankevim-pitantanan'ity vondrona ity, Obaid Khaleefa Jaber Al Murri, ny Filoha Rajoelina tamin’io fotoana io Abu Dahbi. Volana vitsy tsy hifaranan’ny taom-piasana, dia amin’I Egypte indray no mitady hirika. Ny orinasa Egyptianina Samcrete moa no nambara fa nahazo ny tsenan’asan’ny làlambe migodana na “autoroute” saingy betsaka ny zavatra tsy mangarahara toy ny tsenambaro-panjakana. Voalaza fa efa namoahana 1045 miliara Ar kanefa tsy misy zava-bita mivaingana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap