airtel

Actualités

15-déc-2022

Actualités

Tanora sy fanampiana mpiray tanindrazana Tokantrano sahirana miisa 70 no nomena akanjo sy sakafo mafana

Sample post image

Ny takarivan’ny omaly dia nisy ny hetsika ho fanampiana ireo tsy manan-kialofana eto Antananarivo notontosain’ny fikambanana Mitsangana ry tanora na MRT.

15-déc-2022

Araka ny fanazavan’ny filoha lefitr’izy ireo, Durlin Retogniane, dia hetsika fanaon’izy ireo isan-taona izy ity ho fanampiana ny tsy manan-kialofana manerana an’I Madagasikara. Teto Antananarivo, hoy izy, no nanombohana azy tamin’ny taon-dasa ary mbola tsy diso anjara hatrany ny renivohitry ny nosy miaraka amin’ny ekipan’ny MRT eto an-toerana rehetra. Akanjo sy sakafo mafana no omena ireo vahoaka sahirana anaty tokantrano miisa 70 eo eto Antananarivo. Niaraha-niasa tamin’ireo malala-tanana eto Antananarivo sy ireo namana sy tapaka izany. Ankoatran’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana dia tanjona anatin’ny hetsika koa ny fampandraisana anjara ny tanora anatin’izany fanampiana mpiray tanindrazana izany. Tafiditra anatin’izany ny fampivelarana ny mahaolona na “développement personnel” mba tsy hianona amin’izay fanampiana izay fa hihoitra amin’ny fiainany koa ary hahaleo tena ara-bola satria samy manana ny anjara masoandrony ny tsirairay eto amin’ity tany ity. Isaorana noho izany ireo rehetra nandray anjara hatramin’izay ka hatramin’izao ary hirariana ny hitohizan’ny hetsika hatrany amin’ny faritra manomboka amin’io taona hoavy io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap