airtel

Actualités

14-févr-2023

Actualités

Tantaram-pirenen’i Madagasikara Tena manana anjara toerana goavana ny Radio

Sample post image

Efa mahatratra 500 ny isan’ireo onjam-peo na radio eto Madagasikara amin’izao fotoana. Ny 76 isa amin’ireo dia eto Antananarivo avokoa raha araka ny fanadihadiana natao, fitaovam-pifandraisana mbola anisan’ny be mpanaraka

14-févr-2023

indrindra noho izy hahafahana mampita vaovao haingana, manabe ary koa mampiala voly. Nankalazaina omaly alatsinainy 13 febroary ny andro maneran-tany ho an’ny Radio. Loha-hevitra nampitondraina ny hetsika tamin’ity fankalazana andiany faha-12 ity ny hoe : ny radio sy ny fandriampahalemana. Nisy araka izany ny fihaonana notanterahin’ireo mpiasa eny anivon’ny radio miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana tetsy amin’ny RNM Anosy omaly ka nivoitra nandritra izany fa samy resy lahatra ny rehetra fa mbola anisan’ny fitaovan-tserasera tena mandaitra sy be mpihaino ny radio na dia eo aza ny fivoaran’ny teknolojia. Anisan’ny tsy hahafoizan’ny rehetra azy ohatra ny fahafahana mihaino ireo karazana hira fahiny maro samihafa, ny fandaharana mifono fanabeazana hatolony ankoatra ny tantara izay mampiala voly nefa mifono anatra…. ihany koa. Tsiahivina moa fa Radio Antananarivo no radio voalohany teto amintsika. Izy io lasa Radio nasionaly Malagasy ankehitriny io izay raisina eo amin’ny mari-drefy 99.2.
VAVOLOMBELON’NY TANTARAM-PIRENENA
Nanamarika hatrany ny tantaram-pirenena ny Radio .Raha nitolona ny Hery velona tamin’ny 1991 – 1992 dia nipoitra ny onjam-peo tsy miankina amin’ny fanjakana voalohany dia ny Radio fenon’ny vahoaka (RFV), ary mbola mandeha hatramin’izao.Ny taona 1996 raha hiverina eo amin’ny fitondrana ny Amiraly Ratsiraka dia nalaza izany hoe Radio Tsioka Vao izany.Tonga i Marc Ravalomanana ny taona 2001 – 2002 dia teo ny MBS Radio ary nandefa mivantana ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey sy ireo zavatra maro nanamarika ny raharaha 2002 ary nipoitra teo ny hetsika hoe : Miara-manonja.Ny taona 2009 dia nitatitra sy nampisongadina ny hetsika notarihin’i Andry Rajoelina ny Viva Radio.Taona vitsivitsy izao dia maro ireo onjampeo manao fanadihadiana politika sy famakafakana ny toe-draharaham-pirenena, isan’andro no sady manome sehatra ny mpihaino amin’ny fanehoan-kevitra. Zavatra tena ilaina amin’ny firenena demokratika, misy ihany anefa ny fandrindrana tokony hatao mba hisorohana ny fihoaram-pefy mety hanakorontana na hampisavorovoro.
Pati
Legende : Fitaovan-tserasera anisan’ny mbola be mpanaraka eto Madagasikara ny Radio
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap