hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, ny sabotsy teo. Tsy mahay akory ny lalàna momba ny fananan-tany, hoy izy, ary miezaka hamandrika ny kaominina. Lazainy fa tanin’ny fokontany ilay izy tamin’ny voalohany. Rehefa naseho ny antotan-taratasy rehetra dia lasa tanin’ny kaominina indray fa tsy fokontany ilay izy. Rehefa izay indray dia nojerena dia tsy an’ny kaominina indray ilay taratasy milaza fananana na “juridique” fa dia hoe trano vao naorina tao indray io. Maro ny vavolombelona nahita fa birao fiasako io. Fantatra fa solombavambahoaka no ao ambadik’ity raharaha ity. Te hiteny aho hoe tsy toetsaina mpitondra ary haratsian-tsaina izany. Tsy tokony ho mpitantana ny olona manana toetra toy izany. Manimba firenena ny fombana mpitondra toy izany. Mitovy amin’ny mpanolana ny manao izany. Isaorako manokana ny kaominina renivohitr’Antananarivo nihaino. Ny mpitondra izany natao hilaza fahamarinana. Tsy misy resaka ady tany ao anatin’izao fa fitetehana haka an-keriny fananan’olona dia lazaina hoe hanaovana fotodrafitrasa sy izao. Tsy misy lalana mametra ahy hangataka tanim-panjakana. solombavambahoaka no aorian’ireo mikasa hibodo tany ireo dia miheritreritra izy hoe hatahotra azy aho. Tsy matahotra azy aho fa hijoro hatramin’ny farany. Tsy misy fananany eo na dia kely aza ary marihiko fa na ny biraom-pokontany aza dia ny tenako no nanangana azy. Tsy anaty fokontany Anosizato Est I io fa Anosizato Est II. Voafitaka moa ny kaominina hoe an’ny kaominina ny tany dia nampanantsoina teny aho hoe mangataka hanao fotodrafitrasa ao zareo. Tsy afaka manome an’izany aho satria tsy misy tany ao ary tafiditra anaty “Bon sens 4” io izay misy FJKM ato, misy dispansera, Castello motel sy ny maro, hoy hatrany ny tenany, ka maninona no tsy ireny no angatahany? Hita mihitsy hoe tsy dia fotodrafitrasa loatra no tiana atao fa haka an’ilay tany, hoy izy.
J. Mirija
Legende: Jean Nirina Rafanomezantsoa
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa