airtel

Actualités

28-oct-2022

Actualités

Taom-panondranana lavanila 2022 Hizotra ao anatin’ny mangarahara…

Sample post image

Mitohy ny fijeren'ny Ministeran'ny Varotra akaiky ireo mpamboly sy mpandraharaha ary ireo mpanondrana lavanila malagasy,

28-oct-2022

 indrindra ireo matihanina eo amin’ny ity sehatra ity. Miombon-kevitra amin’ny Ministera amin’izany ireo mpanondrana hisorohana ny gaboraraka sy ny kolikoly mety hiseho amin’ny endrika samihafa izay maha-sarotiny ireo matihanina amin’ny fanondranana lavanila mba tsy hamotehana ity lalam-pihariana ity. Mamaly an'izay avy hatrany ny fepetra sy ny fomba fiasa napetraky ny Minisitra Edgard Razafindravahy mba samy hahazo tombotsoa ara-drariny ny mpamboly sy ny mpanangom-bokatra eny amin’ny tsena voara-maso ary ireo mpanondrana. Hiverina eto Madagasikara ny vola vahiny ary ho voara-maso ny fidiran'ny vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Voafaritra niaraka tamin’ny ireo orinasa sy mpandraharaha mpividy lavanila tany Paris tamin’ny 04 Jolay lasa teo izany. Araka ny fantatra dia hivoaka tsy ho ela ny datin'ny taom-panondranana lavanila ary havoakan'ny Ministeran'ny Varotra ihany koa ny anaran'ireo mpividy ny lavanila malagasy ary hizotra ao anatin’ny mangarahara tanteraka izany izay azo antoka fa mifanojo amin’ny andrasan'ireo mpandraharaha sy mpisehatra matihanina.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap
16-mai-2025

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

Card image cap
16-mai-2025

Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na

Card image cap
16-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,

Card image cap
16-mai-2025

Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,

Card image cap
16-mai-2025

Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.

Card image cap