airtel

Actualités

23-nov-2022

Actualités

Taom-piotazana letisia 2022 1075 ireo nahazo fahazoan-dalana

Sample post image

Nisokatra omaly tolakandro ny taom-piotazana letisia 2022 ho an’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo raha toa ka efa tamin’ny alahady 20 novambra izany ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana.

23-nov-2022

Tao Antananambo no nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny taom-piotazana ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Efa nitanjozotra niandry ny fanombohana ireo fiara mitondra vokatra. Miisa 1075 ireo olona nahazo fahazoan-dalana hikirakira ireo vokatra letisia tamin'ity taona 2022 ity. 1300 Ariary ny letisia iray kilao andraisan'ireo orinasa azy raha toa ka 1200 Ariary izany tamin’ny taon-dasa. Efa andro vitsivitsy izay no miantsona amin'ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo mitondra ireo kaontenera hasiana ny letisia haondrana any Eorôpa hamonjy ny tsena Krisimasy. Nidina tao Toamasina ny minisitry ny varotra Edgard Razafindravahy nialoha izao fisokafan’ny taom-piotazana izao nijery ifotony ny fiomanana sy ireo toerana hanatobiana ny letisia ary koa nihaona tamin’ireo mpandraharaha sy ireo tantsaha mpamokatra. Taorian'izay no nilazany fa efa vonona avokoa ny fiomanana ho amin’ny fanondranana, miandry fotsiny ny fotoana omaly nisokafan'ny taom-piotazana.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap