airtel

Actualités

25-mars-2026

Tatitry ny nPerf

mikasika ny 5G eto Madagasikara

Sample post image

Niakatra avo 4 heny ny hafainganan'ny tambajotra finday

25-mars-2026

Teo anelanelan’ny taona 2022 sy 2025, nisy fiovana lehibe teo amin’ny tambajotra finday eto Madagasikara. Raha 29,4 Mbit/s ny hafainganam-pisintomana tamin’ny 2022, dia niakatra ho 98,3 Mbit/s tamin’ny 2025, araka ny tatitra nPerf. Ny hafainganam-pamindrana (upload) dia niakatra avy amin’ny 9,1 Mbit/s ho 22,2 Mbit/s, ary nihena 20 % ny latence, tonga 45,55 ms. Na izany aza, mbola voafetra ny fidirana amin’ny 5G, indrindra any ambanivohitra. Tamin’ny 2024, 79 % ny mponina no voarakotry ny 4G. Saingy Antananarivo dia nahatratra 98 %, raha toa ka 65 % monja tany Androy, Anosy ary Melaky. Ny fotodrafitrasa dia mifantoka amin’ny tanàn-dehibe sy avaratra, ka miteraka tsy fitoviana mazava. Ny hafainganam-pisintomana dia nahatratra 102 Mbit/s tamin’ny 2024, saingy ambany lavitra any ambanivohitra. Ny tanàn-dehibe kosa, izay efa misy 5G, dia mahazo hafainganam-pandeha avo folo heny noho ny 4G. Ny mari-pamantarana nPerf dia niakatra avy amin’ny 63,36 % tamin’ny 2023 ho 74,07 % tamin’ny 2024. Midika izany fa afaka mijery horonan-tsary amin’ny HD sy Full HD ny mpampiasa, tsy misy fanelingelenana lehibe, hoy ny tatitra.
NY 5G, TEKNOLOJIA VAOVAO
Madagasikara dia isan’ny mpisava lalana amin’ny 5G aty Afrika. Telma (Yas ankehitriny), niaraka tamin’i Ericsson, no nanomboka izany tamin’ny 2020. Raha 2,57 % monja ny fitsapana nPerf tamin’ny 2022 no 5G, niakatra ho 22,93 % tamin’ny 2024. Yas, izay mitana 68 % amin’ny tsena, dia nampiasa vola mihoatra ny 800 tapitrisa euro teo anelanelan’ny 2023 sy 2024 hanamafisana ny 4G sy hanaparitahana ny 5G. Vokatry ny ezaka izany, nitombo avo efatra heny ny hafainganam-pandeha finday.
HO AVY MISOKATRA
Ny taona manaraka dia hanapa-kevitra ny hoavin’ny tambajotra eto Madagasikara. Ny ARTEC sy ny mpandraharaha dia tsy maintsy manitatra ny 4G any ambanivohitra, manafaingana ny fametrahana 5G amin’ny alalan’ny fanatsarana ny tarika matetika sy fampihenana ny saran’ny fidirana, ary manatsara ny kalitaon’ny tolotra amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa vaovao. Tanjona ny hampihena ny elanelana ara-nomerika sy hanome aterineto haingana sy azo antoka ho an’ny rehetra. Zava-dehibe amin'ny toekarena nomerika io, saingy betsaka koa ny fanatsarana mila atao ho an'ny tolotra eto Madagasikara. Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap