Tsy voafehy intsony ny taxi-bisikileta fa tafiditra ao afovoan-tanana raha ranobe sahady koa eny Andravoahangy eny taorian'ny ora-mikija afak'omaly Talata 30 Septambra hariva. Mikasika ny taxi-bisikileta manokana dia am-polony izy ireo no tazana teny an-toerana efa andro maromaro izao na dia tsy nahazo alalana aza. Manomboka eo amin'ny tonelina hivoaka an'Analakely izy ireo no miantsona miandry mpandeha ka hatreny ain'ireo toeram-pivarotana tera-tany mivarotra firavaka eny Andohan'Analakely. Raha ny nambaran'izy ireo dia mba mitady vola tahaka ireo taxi-moto koa izy hamelomany vady aman-janaka. Efa manodidina ny 700 isa mantsy izy ireo no miasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina raha kely vokatry ny tsy fisian'ny asa any ambanivohitra. Ho an'ny tananan'Andravoahangy manokana dia tsy vitsy ireo mponina efa nanainga zipo indray omaly maraina namonjy asa sy fianarana ankoatra ny famoronana vola natao saran-dalan'ny sarety tsy nirobohana tao anaty rano maloto.
Pati
Légende : Ela no nanirian'ireto taxi-bisikileta izao fidirana eto Analakely izao !
Misy ny fiomanan’ny kolonely Michaël Randrianirina