airtel

Actualités

22-sept-2023

Teratany vahiny mitombo mivarotra amoron-dalana

Andrasana ny fanazavan’ny tomponandraikitra

Sample post image

Mitombo ny isan'ireo teratany vahiny hita ho mifampizara tsena amin'ny mpivarotra amoron-dàlana tato ho ato, raha ny vaovao niparitaka omaly.

22-sept-2023

Mivarotra mofo toy ny “Sandwich” na irony mofo laroina tsiro samihafa anatiny irony izy ireo, hoy ny fitantaran’ireo mpandalo eny amin’ny toerana misy azy. Mitovitovy daholo ny mofo amidin'izy ireo. Isan'ny hahatazanana izany eny Tanjombato eny. Andrasana hatreto na ny minisiteran'ny mponina na ny minisiteran'ny atitany na ny minisitry ny serasera na ny praiminisitra hitondra fanazavana mikasika azy ireo. Mpiasa madinika any amin'ny orinasa vahiny ve izy itony no manao vadin'asa mivarotra sa olona tonga eto handraharaha mihitsy dia izao no ataony sa mpizahatany lany “visa” na fetr’andro sa ahoana marina no tena momba azy? Tombatombana sy resaka eny anivon'ny fiarahamonina no andrenesan'ireo mahita azy ireo isan'andro fa mety ho niondrana an-tsambo izy ireo dia niditra teto ary niara-tonga teto, raha ny fampitam-baovao voaray mandra-piandry ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap