Raha ny fanampim-baovao, teo Ambodimanga andrefan’ny tetezana Amboay izay tetezana ao amin’ny Toby Fiantsonan’ny fiara na « Gare Routière Ambositra » no nisehoan’izy ity ny alin’ny afak’omaly alarobia 23 novambra 2022. Nampiharan-dry zalahy ny filan-dratsiny ilay vehivavy, ka nalemy mihitsy rehefa nalaina tao anaty fotaka raha ny tatitra. Voalaza moa fa niaraka nisotrosotro tamin’ireo ihany izy, saingy raha ny fanamarihana dia tsy nisy nahare antso vonjy teo amin’ny manodidina. Voalaza fa tsy nahitana fimailo niparitaka teo amin’ny manodidina. Ny 2 lahy tamin’ireo 12 no voasambotra ny androntr’iny, ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga ny mpitandro filaminana. Efa nody omaly maraina kosa ilay vehivavy, rehefa avy nanaraka fitsaboana, raha ny fanamarihana sy fampitam-baovao omaly. Mirarakopana ary sesilany mihitsy ny resaka herisetra sy fanolanana, izay endriky ny fahasimban’ny fiarahamonina. Mila jerena akaiky, ary mila mitandrina hatrany ny isam-batan’olona. Nangonin’I Toky R
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”