airtel

Actualités

05-déc-2022

Actualités

Tetikasa fanavahana sy fanodinana fako Hanampy an’Ambohibao Antehiroka ny UNIDO

Sample post image

Anisan’ny kaominina voafidy ho Kaominina hisitraka ilay tetikasa fanavahana sy fanodinana fako ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo ny kaominina Ambohibao Antehiroka.

05-déc-2022

Ny mba hahafahana mikajy sy manodina ny fako ao anatin’ity kaominina iray ity sy ny kaominina Talatamaty no tanjona tetikasa hiarahana amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra. Tsy mijanona amin’ny fiarovana ny tontolo iainana fotsiny moa io tetikasa io fa hiteraka asa ho an’ireo olona izay hanao izany ihany koa izay hiainga eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy mihitsy ny sivana, indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana. Tonga nitsidika ny kaominina Ambohibao Antehiroka araka izany Atoa Nouri Abdalla mpandrindra rezionalin’ny UNIDO na ny United Nations Industrial Development Organization, misahana ny faritra Afrika. Fifampiresahana sy fanomanana ilay tetikasa fanavahana sy fanodinana fako ao amin’ity kaominina ity no natao tamin’izany izay marihina fa hanomboka tsy ho ela.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’Atoa Lalaina Vatosoa, Ben’ny tanànan’Ambohibao Antehiroka sy Atoa Nouri Abdalla mpandrindra rezionalin’ny UNIDO
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap