kopiam-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena ho an’ireo mbola tsy manana izany ny mpirakidraharaham-pitsarana, tarihin’ny Filohan’ny sendika Randriamaro Alain Michel omaly tolakandro. Miandry ny fifampiresahana mazava sy ny fifanajana eo aminy sy ny Minisiteran’ny fitsarana izy ireo. Isan’ny anton’izany ny fisian’ny valiny sy ny fanasarotana ny fangatahan’izy ireo ka izao mahatonga azy ireo hanohana ny Sendikan’ny Mpitsara izao. Isan’ny fitakian’ny mpiraki-draharaha ny momba ny « affectation » izay mandingana faritany roa. Hanao fivoriambe ny sendika ny 30 septembra 2022 izao ka ho hita eo raha hiroso amin’ny fitokonana ny mpiraki-draharaham-pitsarana na tsia, hoy ny fanazavana. Tsara ny mampahatsiahy fa ao ao anatin’ny tetikasa PRODIGY (Projet du Gouvernement Digital et de Gestion de l’Identité Malagasy), izay misy famatsiam-bola 143 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ka 86 tapitrisa dolara ny andiany voalohany. Tanjona ny hahatrarana olona 3 tapitrisa hisitraka izany, ary ho tonga 5 tapitrisa hatrany amin’ny volana desambra 2024. Ho an’ny teo anivon’ny fitsarana, nampiato izany 15 andro aloha izy ireo noho ny tsy fisian’ny lamina mazava, fepetra samihafa tsy tomombana,… satria tsy hisy mpitsara vao hovolena eo, fa ny efa eo ihany no tsy maintsy handeha hanao izany ka tsy tokony hatao antematemaka sy tandrametaka. Io fa nampiato ny azy ihany koa ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana. Efa nosokafan’ny Minisitry atitany sy ny Minisitry ny fitsarana tamin’ny fomba ofisialy ny 01 septambra 2022 teo tany Manakara moa ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity fampisitrahana ny kopia sy karapanondrom-pirenena ho an’ireo izay tsy mbola manana izany ity, saingy io misy fiatoana sy fitsaharana noho ny fitakiana sendikaly eo anivon’ny fitsarana io. Endriky ny fandringan’ny fitantanan-draharaham-panjakana izao satria misy pitsopitsony samihafa tsy tanteraka matoa tonga amin’ny fampiatoana ny asa tahaka izao. Heverina ihany koa anefa fa fitadiavana tambiny sy tombotsoa no antony mahatonga ny tsindry sendikaly tahaka izao. Iaraha-mahita rahateo ny sora-bola ao anatin’ny tetikasa.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa