airtel

Actualités

02-mars-2026

Tezitra fa tsy mba nomena vola

Notaperin’ilay tovolahy

Sample post image

24 taona ny ain-dRaibeany 74 taona

02-mars-2026

Nisy olona hita faty tao Ambohimiadana Ambatofahavalo ny 28 Febroary teo ary niharan'ny vono mahatsiravina tokoa. Lehilahy lehibe iray 74 taona no lasibatra tamin'izany. Hamonjy anton-dia no nivoahany ny trano ka narahin'ny zafikeliny 24 taona, nilanja angady avy aoriana itsy voalohany.Rehefa tonga teo Mahimandry/Ambohimiadana dia notaperin'ity tovolahy ny ain'ilay Raibeny. Novelesiny ny angady ilay Rangahibe. Rovitra ny sofina roa, tapaka ny taolan-tsandry havia sy havanana, feno ratra lalina maromaro ny lohany, vaky ny karan-dohany. Najanony teo anilan'ilay razana ny angady efa tapatapaka ny zarany. Rehefa vita izany vono olona izany dia nandositra ary namonjy ny biraon'ny zandarimaria ny nahavanon-doza. Fantatra fa nivaro-pananana ilay rangahibe ary tsy mba nahazo ny anjarany ity tovolahy zafikely ity. Tezitra noho izany izy ka nitsiry tao an-tsainy ny hamono ny raibeny ary notanterahiny tsy tamim-pisalasalana izany. Atolotra ny fitsarana mba handray ny valin'asany ny nahavanon-doza aorian'ny famotorana hatao.
Pati
Légende : Ity ilay nahavita nandatsaka ny ain'ny dadabeany !

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap