airtel

Actualités

06-août-2021

Actualités

Tezitra mafy i Zatia Rocher “Tsy noraharahiana sy nohambanian’ny polisy aho”

Sample post image

Araka ny horonantsary naparitany tamin’ny tambajotran-tserasera omaly, dia nilaza I Zatia Rocher, fa nanantona ny farmasia Malagasy iray teo Analakely.

06-août-2021

Vao nivoaka ny farmasia izahay dia voahendaka. Nanantona ny Biraon’ny polisy iray eto Antananarivo izahay, fa tsy noraisin’ny polisy, nosintonin’olona ny poketranay vao nivoaka ny fiara, fa izaho hono sarim-bavy dia tsy raisiny. Manakorontana azy amin’ny toromasony, hono aho, izany no vava eto. Manentana sy manao antso amin’ny vahoaka Malagasy rehetra”, hoy Zatia Rocher. Miala tsiny, fa tonga amin’ny fanaovana izao video izao, hoy izy, izay naneho fa manana ny video notenenin’ny polisy. Somary tsy re loatra ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta, na nisy tokoa aza ny fahenoana hoe: “izaho tsy ambanianao amin’izany” sy ilay voambolana hoe: “sarim-bavy” nataon’ilay mpitandro filaminana, izay isan’ny tena nahatezitra mafy an’i Zatia Rocher, ankoatra ny fahatsapany tsy firaharahiana teo anatrehan’ny antso vonjy nataony tamin’ireo/ilay mpitandro filaminana. Andrasana kosa izay mety ho fanazavana ofisialy avy amin’ny andaniny satria mety tonga amin’ilay fitenenana ihany koa hoe: ny vy tsy mikitrana irery ihany koa ny zava-misy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap