airtel

Actualités

06-juil-2022

Actualités

Toamasina Bateria efa niasa 430 saika ampidirina an-tsokosoko

Sample post image

Vokatry ny fiaraha-miasan'ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy sy ny fadintseranana dia sarona tao

06-juil-2022

Toamasina ireo bateria efa niasa miisa 430 saika ho ampidirina an-tsokosoko eto Madagasikara, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Fako tsy mety levona ary tena manimba tontolo iainana izy itony rehefa niasa toy ireny fampiasa amin’ny fiarakodia ireny noho ireo akora simika ao aminy toy ny asidra sy ny firaka, hoy ny fanazavana. Raran’ny lalàna araka izany ny fampidirana ireny bateria efa niasa ireny eto Madagasikara, araka ny didim-panjakana laharana faha 2012-753 tamin'ny 07 aogositra 2012 sy ny didim-panjakana laharana faha 2018-1145 tamin'ny 05 septambre 2018, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Matoa moa misy ny entana toa izao ezahana ampidirina amin’ny fomba rehetra eto, dia misy izany ny mpividy, misy ny mila azy sy mampiasa azy koa raha tena hiady tokoa amin’ny trafika dia ireny no mila jerena , ka hikaroham-bahaolana hoe inona ary no hatao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap