Toamasîna omaly Talata 28 Aprily atoandro. Lehilahy iray, mpiasa "sous-traitant", antsoina hoe : Dennis izay voairaka namerina jiro tao an-toerana no main'ny herinaratry ny Jirama teny ambony andrin-jiro ka torana tsy nahatsiaro tena avy hatrany. Raha araka ny vaovao voaray dia nisy fahatapahana ny herinaratry ny jirama tao amin'io Faritra io omaly atoandro. Niezaka namerina izany Itompokolahy kinanjo zava-doza no nitranga. Mbola nentina tant amin'ny hopitaly moa izy taorian'izany saingy tsy tana intsony ny ainy. Tombanana ho notrohan'ny herinaratra avokoa ny ra tao anatiny. Efa nentina nody ao Antanambao V ny nofo mangatsikany. Tsiahivina moa fa mahafaty hatrany ny herinaratry ny Jirama ka tsy fisangy. Tokony hampiasa fitaovana manara-penitra sy hanao famaniana mifanaraka amin'izany hatrany ireo mikirakira azy hisorohana ny loza tahaka izao.
Pati
Légende : Itompokolahy fony fahavelony !
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"