airtel

Actualités

16-avril-2024

TOAMASINA

Vary lo 450 taonina indray no tratra

Sample post image

Olona tsara sitrapo no nampandre ireo manam-pahefana teto Toamasina,fa nisy vary lo

16-avril-2024

nokendrena hodiovina sy hamidy tao amina trano fitehirizana entana iray tao Tanandava ny herinandro lasa teo, hoy ny vaovao avy any an-toerana. Taorian'ny fidinana ifotony sy fanadihadiana natao ,dia fantatra fa vary efa simba, tsy azo amidy na ohanina intsony ireo vary ireo, ka omaly no niroso tamin'ny fandorana izany ny manam-pahefana. 60 taonina no nidorana tao Antsarimasina. Nahitana trano nisy vary lo 450 taonina hafa tao barikadimy, ka ny 30 taonina tamin'io no nidorana omaly ary hotohizana anio. Manara-maso an'io fandorana vary lo io ny Lehiben'ny Fampanoavana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Atoa Vahiny Ivi Sandro,sy ny Talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana Atsinanana Atoa Belalahy Jean Berkmans , izay samy hentitra nilaza fa tsy azo ekena ny fanaparitahana sakafo simba amidy eny amin'ny tsena. Ny fahasalaman'ny vahoaka dia saro-pady ary tsy maintsy arovana,ka tsy maintsy ampiharina ny sazy ho an'ireo mikasa hanaparitaka vary lo eto amin-tsika, hoy izy ireo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Tanjona ny ialan’ny malagasy amin’izao toe-draharaha izao»

Card image cap
29-avril-2024

Mbola mafy ny asa atao, ny zava-miandry, hoy ny kandida ho depiote ao amin'ny boriboritany faha 4,

Card image cap
29-avril-2024

Niverimberina tato ho ato ny fifanolanan’ireo mpivarotra eto Antananarivo sy ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo

Card image cap
29-avril-2024

Misy namana mpiara-miasa tamiko, lehibeko, hoy ny mpanolontsain’ny SMARM na Sendikan’ny mpiasan’ny angovo

Card image cap
29-avril-2024

Tombanana ho betsaka ny ranon’orana eto amintsika manomboka rahampitso Talata raha araka ny fanazavan’ny

Card image cap
29-avril-2024

Ny alarobia 24 aprily atoandro teo dia lasa nandeha nanao fanatanjahan-tena ny «manam-pahefana»

Card image cap