airtel

Actualités

24-mars-2026

Toe-draharaha politika

Miraradraraka ny ampamoaka,

Sample post image

fandrahonana, fanakorontanana,…

24-mars-2026

Mangotraka ny ady ara-tserasera, fanaovana ampamoaka, famoahana dosie,… ifamelezan’ny mpanao politika. Zary lasa kianjan’ady ara-politika goavana eto Madagasikara ny tambajotran-tserasera, tsy misy sivana, tsy misy etika politika, tsy misy ankitsitsy amin’ny famoahana dosie na ara-panjakana io na mety fiainana manokana mety ho marina mety ho diso,… Nanao ranolava ny horonam-peo maromaro voalaza fa nifanaovan’i Raissa Razaivola tamin’ny mpandraharaha malaza akaiky ny Fitondrana dia i Koufali Daya, narahin’ny fisavana tany am-ponja an’io vehivavy malaza tamin’ny dosie maro io. Misy lonilony amin’i Fanirisoa Ernaivo minisitry ny fitsarana teo aloha ity ramatoa ity noho ny famerenana azy any am-ponja, dia mitohy amin’ny fifamoahana dosie sy fifamelezana samihafa. Milaza ho nigadra noho ny fiarovana azy i Raissa izay niteny ao anatin’ny horonam-peo hoe : « izaho tsy matahotra an’i Fanirisoa, raha izaho no miverina any am-ponja tsy tafapetraka eo iny,… Hifankahita izahay raha izaho miverina any ». Milaza ho manana dosie goavana… Mahagaga ny nipariahan’ireo horonam-peo tao anatin’ny fotoana fohy, kanefa olona voalaza fa naverina am-ponja nanomboka ny 21 febroary. Dia ireny nandeha ireny ny fisavana tao Imeritsiatosika nisian’ilay horonantsary nataona mpikirakira facebook,… Dia nitohy tamin’ny horonantsarin’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy, mamely tsy an-kitsitsy ny olom-panjakana maro miainga amin’ny Filohan’ny fanavaozana, Filohan’ny Antenimierampirenena, minisitry ny fitsarana teo aloha, mpandraharaha malaza, manamboninahitra ambony,… Tsy vao sambany ny fiantsoany ny Minisitry ny foloalindahy teo aloha, ny lehiben’ny Etamazaoro,… hiditra an-tsehatra, dia mandeha ny fanosoram-potaky sy fanalam-baraka ataon’ny kaonty fako eny amin’ny tambajotran-tserasera hoe nanondrana volamena an-jatony kilao tamin’ny janoary ka tsy mihetsika. Fifandrifian-javatra ve ny nampipongatra tampoka an’ireny? Mandrirotra mafy ny Fanjakana ankehitriny ho mafia, milaza fa nandefa fitoriana any amin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena. Isan’ny namaly azy mivatana ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha Fanirisoa Ernaivo toy ny atao hoe porofo na « évidences » na « preuves » dia fanambarana na tenin’olona fa tena zavatra hita maso toy ny resaka vola 12 milliards, piesy toy ny taratasy fifampivarotana raha nividy trano 5, … Ny Minisitra teo aloha izay nampiseho fa tsy any Nosy Be miomana ny hitsoaka araka ny resaka naely, fa any amin’ny toerana misy ranomandry izany hoe : tsy eto Madagasikara, raha raisina amin’ny sary aparitany.

FANDRANGARANGANA FITAOVAM-PIADIANA
Ao anatin’ny fotoana tokony hivoahan’ny mpikamban’ny governemanta no mitranga ireo fifamelezana, tratry ny fiantsoana hikomy ankolaka na mivantana hatramin’ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison. Milaza io kolonely malaza amin’ny famoahana horonan-tsary io, fa herinandro mialohan'ny nanesorana azy no efa niresaka tamin’ny Praominisitra. Nolazainy fa marina ny zavatra noresahany tamin'ny resaka "Abrogation sy « élimination physique". Niantso ny Praiminisitra mba hilaza sy hiresaka amin'ny filohan'ny fanavaozana ny resaka efa nifampiresahan'izy ireo; izay ahitana ny (dosie124 miliara Ar tany Mahajanga). Tonga hatramin’ny hoe : miantso ny Praiminisitra mba hamonjy ny lalan'ny fahamarinana ka tsy hanaiky ny "Influence » ataon'i Koufali Daya, Siteny Randrianasoloniako, Fanirisoa Erinaivo ary ny filoha Michael Randrianirina. Raha tsy izany dia ho tahaka ny tselatra dia hiala amin'io toerana io ny Praiminisitra, hoy hatrany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy. Asa lojika ve izany hoe : ny Praiminisitra notendren’ny Filoha hikomy aminy ? Nilaza fa nitondran’i Koufali Daya miaramila ny Minisitry ny angovo teo aloha Ralitera Ny Ando Jurich hiaro ny tombotsoan’ny karana,… Nandiso tanteraka an’io anefa ity Minisitra voatonona ity omaly. Niantefa tamin’ny manamboninahitra lazainy fa mampaniraka miaramila 52 tao amin’ny CAPSAT hisambotra azy, ka nilaza fa efa vonona miaraka amin’ny basy izy ary vonona ny hamaly ka vonona hifampitady fa samy nianatra ady (combat). Tsy vao sambany ity miaramila ity no nilaza fa manana ekipa, manana fitaovam-piadiana,… ka ny horonantsariny omaly, dia nampiseho ireo fitaovam-piadiana teny aminy. Maneho fa sarotiny sy manana adidy amin’ny Firenena ity manamboninahitra izay nesorina tamin’ny andraikiny teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ity, ary tsapa fa tena tsy mitsitsy amin’ny famelezana izao fitondrana ankehitriny sy maneho fisiana dosie maloto maro, saingy ny fanamarihan’ny mpanara-baovao sasany kosa andaniny dia ny hoe : tsy mba miresaka ny volam-panjakana hatrany amin’ny 4000 miliara Ar nataon’ny ekipan’i Andry Rajoelina ? Fifandrifian-javatra ve ?

GABORARAKA, MILA MANITSY NY LESOKA…
Manahirana ary manome vahana ny mpanohitra ny fifandroritana samihafa, izay ahiana ho misy dian-tànan’ireo mpitondra teo aloha. Miparitaka ny fifandotoana hatramin’ny resaka misy teny mamoafady. Tsy misy sivana sy antoka ny mahamarina na mahadiso azy, fa dia samy mandray izay andraisany azy eny ny olona,… Samy mandrirotra amin’izay mahamety azy, ary zary lasa fanao ny mandrora tsy maimbo an’izay olona tiana holotoina, ny fanadiovana ny olona mety tiana hohasohasoana,... Tsy voatery ho marina fa tsy voatery ho diso ireny rehetra ireny, fa ny tsy azo lavina dia mahazo aina i Andry Rajoelina sy ny ekipany eo anatrehan’io, mba tsy hilazana fa anisan’ny ao ambadika sy manararaotra ny zava-mitranga hamelezana entina hanaovana fanakorontanana avo lenta hamelezana ny Fitondrana ankehitriny. Na tiana na tsy tiana dia misy zavatra mila fehezina sy fandraisana andraikitry ny Fitondram-panjakana eto manoloana izao zava-mitranga izao. Mila fandinihan-tena sy fanintsiana na fanarenana ny lesoka ihany koa dieny izao satria na inona na inona ihany koa holazaina dia misy ny tsy mety ahiana ho singam-bolo mandavo ny vositra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Misy ireo toetra tsy maintsy ananan'ny

Card image cap
16-avril-2026

machine élévateur" ilay olona

Card image cap
14-avril-2026

antsika fa ny hafa no mahazo tombony»

Card image cap
14-avril-2026

Ampangain’ny PAN ho mpanakorontana ireo ampahana GEN Z

Card image cap
14-avril-2026

mpanao kolikoly izaho sy ny Filoha ! »

Card image cap
14-avril-2026

Tovovavy iray izay lany

Card image cap