Manomboka mandeha ny kenonkenona amin'ny ho fananganana governemanta vaovao. Nilaza ny Filohan'ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko omaly, tsy maintsy hisy fivoriana tsy ara-potoana eny amin’ny Antenimiera ahafahan’ireo solombavambahoaka manolotra izay ho praiminisitra araky ny voafaritra ao amin’ny andininy faha 54 amin’ny lalàmpanorenena. Nambara fa misy ny vondrona parlemantera maro an'isa eny amin’ny Antenimierampirenena ka izy ireo no hanolotra izany , izay tsy misy azo ahilika ireo ao anatin’ny vondrona parlemantera Firaisankina toy ny TIM na Pro-Siteny. Milaza ny PAN fa ireo mpanohitra tamin’ny fitondrana Andry Rajoelina ihany koa ankehitriny no maro an’isa amin’ireo mandrafitra ny birao maharitry ny Antenimierampirenena ary toy izay ihany koa ny ho firafitry ny governemanta. Na izany aza, isan'ny miteraka adihevitra ny mikasika io andrim-panjakana io satria tsy taratry ny fironan'ny vahoaka intsony nanomboka ny 25 septambra 2025 niantombohan'ny hetsi-bahoaka, indrindra fa taorian'ny 17 oktobra 2025 nianianan'ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael ofisialy maneho fa tsy Rajoelina intsony no Filoha. Ilay andrim-panjakana napetraka sy nisy volomboasary maro an'isa izay poizina tao anatin'ny Fitondrana teo aloha natao fitaovana fotsiny nametrahana fahamarinan-toerana kisarintsary anefa tsy niova. Nivadika palitao, nanaraka ny tsio-drivotra politika,... Ireo rafitra samihafa toy ny HCC, CENI, Antenimiera,... izay nambara ny 11 oktobra 2025 nandritra ny fiakaran'ireo manamboninahitra notarihin'ny Filohan'ny fanavaozana teny Ambohitsorohitra, saingy voatery niverin-dalana rehefa nohamarin'ny HCC ny fahabangan-toeran'i Andry Rajoelina, ka nangatahana handray ny fahefana, avy eo nanaho fianianana tamin'ny lalàmpanorenan'ny Repoblika faha-4 ny Filoham-panjakana ny 17 oktobra. Napetraka ho arofaninana ilay fanapahana N°10-HCC/D3 tamin'ny 14 oktobra 2025, izay namaritra fa tsy afaka mifanongana ireo andrim-panjakana. Dia voageja eo isika na miharihary aza fa isan'ny tsy mamaly ny filam-bahoaka sy fironam-bahoaka intsony ilay Antenimierampirenena ? Nivadika ho anjely ireo depiote maro an'isa tsy nahavita ny asany sy niray tsikombakomba tamin'ny fitondrana Rajoelina ka ninia nikipy teo anatrehan'ny famotehana tanindrazana? Hiainga ao Tsimbazaza anefa ny kajikajy politika hanaovana ny mafana sy ny mangatsika ? Politika io ary mety mandeha ny resaka avo lenta sy ny fifandaminana samihafa fa inona no antoka hoe : tena hifanaraka amin'ny tombotsoam-bahoaka sy ny fanavaozana nimatimatesana ny fanapahan-kevitra handeha eo?
Toky R