airtel

Actualités

14-nov-2024

TOETR’ANDRO ETO AN-DRENIVOHITRA

Aorian’ny 20 Novambra vao mety hisy ranon’orana

Sample post image

Mahazo vahana tanteraka ny hafanana amin’izao eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

14-nov-2024

Tafakatra hatrany amin’ny 32°C izany amin’ny atoandro raha araka ny fanazavan’Atoa Lahatra Mampionona, teknisiana eo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro raha efa mahatratra 37°C kosa any Mahajanga any. Mbola hitohy hatramin’ny herinandro ambony io hafananabe io raha araka ny fantatra hatrany. Aorian’ny datin’ny 20 Novambra mantsy vao mety hisy ranon’orana hilatsaka eto amin’ny Faritra Analamanga raha ny vinavinan’izy ireo. Miankina betsaka amin’io fiavian’ny ranon’orana io noho izany ny fiovan’ny fahalotoan’ny rivotra eto amintsika izay tena miteraka aretina maro tokoa indrindra fa ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka sy ny sery. Na izany aza dia nomarihin’ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro fa misy fiforonana andro ratsy arahi-maso any amin’ny faritra Avaratra Atsinanan’ny ranomasina misy antsika amin’izao. Ahiana hivadika ho rivo-doza izany ny datin’ny 14 ka hatramin’ny 15 Novambra ho avy izao. Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza mantsy isika eto Madagasikara ankehitriny izay efa nanomboka ny datin’ny 01 Novambra ka hatramin’ny 30 Aprily taona 2025.
Pati
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap