airtel

Actualités

06-févr-2023

Actualités

Toetr’andro Hanorana hatrany ny afovoan-tany isaky ny folakandro

Sample post image

Tsy mbola misy rivo-doza ahiana hahakasika ny morontsirak’i Madagasikara aloha hatramin’ny omaly raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.

06-févr-2023

Mbola miaina ao anatin’ny volon’andro fahavaratra anefa isika ka tokony samy hiomana amin’ny fitafiana mifanaraka amin’izany ny rehetra. Ho an’ny eto afovoan-tany manokana dia fantatra fa hiaina ao anatin’ny ranon’orana hatrany isaky ny folakandro manomboka anio alatsinainy raha somary hihamaina kosa ny any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia mety hitohy mandritra ny alina izany miankina amin’ny habetsaky ny rotsak’orana. Anio alatsinainy sy rahampitso talata no vinavinaina ho oram-baratra manombola ny tolakandro ho an’ny eto Antananarivo, orana madinika kosa manomboka ny alarobia ka hatramin’ny sabotsy.
Pati
Legende : Ho avy hatrany ny orana isaky ny folakandro
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap